Kajy politika ao Betafo

Soloina olon’ny volomboasary ny sefom-pokontany…


  • Zoma 23 Febroary 2024

Nosoloin’ny Lehiben’ny distrika omaly ny sefom-pokontany miisa 3

ao anatin’ny Kaominina Ambonivohitr’i Betafo, dia ny fokontany Ambohinaorina, Miaramamindra, ary Ambohiambo, raha ny vaovao azo avy any an-toerana. Nosoloina olona nanohana an’i Andry Rajoelina tamin’ny propagandy, hoy ny fampitam-baovao. Fifandrifian-javatra ve ny hoe : ao anatin’ny vanim-potoana mialohan’ny fifidianana no isehoan’ny tranga tahaka izao ? Kajy politika hoenti-manome tombondahiny ny kandidam-panjakana ? Sarotra ny toeran’ny volomboasary any amin’io distrika io, ary tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany, dia olon-kafa no lany saingy nanaovana antsojay, nofoanana ny vatony marobe tany amin’ny biraom-pandatsaham-bato sasany,… nampandresena ny kandidan’ny volomboasary. Tao anatin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo, dia kandida tsy nanao propagandy no nahazo vato betsaka noho ny kandidam-panjakana,… Betsaka noho izany no mandika izao fanapahan-kevitra izao ho kajikajy ara-politika hoenti-miatrika ny fifidianana.
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT