Kajy ara-pifidianana eto Antananarivo

Hongotana izay sefom-pokontany tsy volomboasary…


  • Talata 09 Janoary 2024

Raikitra indray ny kajikajy politika ara-pifidianana miainga eny amin’ny fokontany.

izay Manakaiky ny fifidianana depiote sy ben’ny tanàna izay manakaiky vahoaka kokoa, ka toa efa mandeha indray ny tetika maloto samihafa, indrindra fa eto Antananarivo, izay sarotsarotra ho an’ny mpitondra ankehitriny. Ny fifidianana depiote no mety handeha aloha na dia ny ben’ny tanàna aza no tapitra mialoha ny fe-potoam-piasana. Tanjona ny haka ny maro an’isa etsy Tsimbazaza mba hananan’ny mpanatanteraka ny fahamarinan-toerana. Isan’ny kasaina mafy ny hahazoana an’Antananarivo, ka mandeha ny tetika rehetra hanovana ireo sefom-pokontany. Voafaritra fa ny lehiben’ny fokontany sy ny lefiny dia tendrena amin’ny alalan’ny «arrêté » ataon’ny Lehiben’ny distrika taorian’ny fifidianana misaraka nataon’ny fokonolona 18 taona miakatra. Ho an’ny kaominina Antananarivo anefa, ny Prefen’ny polisy no manendry avy hatrany izany amin’ny alalan’ny « arrêté », izany hoe : izay tiana hapetraka eo ? Raikitra ny fikasana hanongana sefom-pokontany etsy sy eroa, izay lotoina ho amin’ny zavatra tsy tokony hidirany aza ny sasany, tahaka ny miseho eny Madera Namontana, izay lazaina fa TIM. Nambara fa nanakepoka ny fanampiana nomen’ny Fanjakana toy ny jiro, vary,… Tena ny sefom-pokontany ve no miandraikitra an’ireny ? Nisy ny hafatra nataon’ny Depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly niantera tamin’ny Prefen’Antananarivo sy ny Lehiben’ny distrikan’ny Firaisana faha-4. «Miangavy anareo mba handray andraikitra mahakasika ireto olom-boatendry vaovao manao be fihavy ireto ka hampianatra azy maika ny didy aman-dalàna fa tsy fantany. Izy ireo no manangona olona hiogaoga mitaky ny fanaisorana sy fifidianana sefom-pokontany sy mampiantso mpanao gazety na mpanao serasera eto amin’ny facebook milaza fa tsy mizara jiro tsy mizara vary, tsy mandraoka zoridira sy tsy misikotra « dalle » ary tsy manamboatra lalana ny sefo fokontany asa andraikiny va izany ? », hoy i Rossy. Nambarany fa tian’izy ireo soloina ny mpikambana ao aminy na ny fianakaviany ireo sefom-pokontany, ary iharan ny antsojay sy ny fafy lainga izay mety ho tonga amin ny fifampikasihan-tanana satria manana ny mpomba azy ireo koa izy ireo. Olona ao anaty fitondrana ireo manokatra « boite de pandore », izay raha miitatra manerana ny distrika na firenena dia ho sahirana ny fitondrana foibe, hoy hatrany i Rossy. Mandeha moa ny feo, fa kasaina hosoloina mpampianatra avokoa ny sefom-pokontany manerana ny Nosy ? Tsara kosa ny manamarika, fa teo anivon’ny kaominina Antananarivo dia efa nisy ihany koa ny rivodoza nanesorana tompon’andraikitra ka anisan’izany ny Lehiben’ny Boriborintany miisa 3 sy Tale miisa 8.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT