Mahatratra 14 ny isan’ireo sefom-pokontany nesorina tamin’ny toerany, omaly.
Antony maromaro no voalaza fa nanesorana azy ireo, hoy ny fanazavana voaray. Anisan’izany ny hoe mamofompona TIM, nefa manohana ny fitondrana. An-kilany, ireo fokontany tsy nahazoana vato tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo. Nambaran’ny sefom-pokontany tsy nitonona anarana fa anisan’ny nalana tamin’ny toerany ny eny Ankadifotsy Ankaditapaka, Ankorondrano andrefana, Ankorondrano Atsinanana ary Ankorondrano Andranomahery. Araka ny fanazavana voaray, anisan’ny fokontany nahavita ny adidiny sy ny andraikitra nampandraiketana azy ireo 14 nalana tamin’ny toerana ireo. Efa tamin’ny taona 2009 izy ireo no nitantana ny fokontany ary niara-dia tamin’ny mpitondra ankehitriny, nefa dia izao nesorina izao. Marihana fa efa naloa ny tambin-karaman’izy ireo nandritry ny 6 volana fa ny 2 volana sisa no tsy azo, raha ny fanazavana azo hatrany.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.