Lehiben’ny distrika miisa 11 no indray nesorina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 28 martsa teo, dia ny tao Ambilobe,
Antsiranana II, Maroantsetra, Ikalamavony, Toliara II, Ankazoabo Atsimo, Nosy Varika, Marovoay, Manja, Mahajanga II ary Soanierana Ivongo. Tsy tongatonga ho azy ity fanapahan-kevitra ity fa feno kajikajy politika rehefa dinihina. Akaiky ny fifidianana ka tsy maintsy mametraka olona tena atokisany sy azony baikoana amin’izay tiany ny mpitondra. Raha ny ao Ambilobe izao, taorian’ny 8 martsa teo no nandrenesana ny mety hanesorana ny lehiben’ny distrika satria namela malalaka an’i Andry Rajoelina hihaona tamin’ny vahoaka tany an-toerana. Fifandrifian-javatra ihany ve ny fahatanterahan’ny fanesorana azy ? Manomboka fehezina tanteraka ny rafi-panjakana rehetra eto amin’ny firenena mba hahafahana manamora ny fampandresena ny kandidan’ny antoko eo amin’ny fitondrana ? Ankoatra ity fanesorana sy fanendrena lehiben’ny distrika ity, dia nesorina ihany koa ny tompon’andraikitra misahana ny mpiasa teo anivon’ny minisiteran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana. Tompon’andraikitra ambony iray hafa tao amin’ny minisiteran’ny fahasalamana nesorina, 2 tao amin’ny minisiteran’ny tontolo iainana, 2 tao amin’ny minisiteran’ny serasera, 2 tao anatin’ny minisiteran’ny jono sy ny harena anaty rano, niampy fanendrena tompon’andraikitra ambony roa vaovao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.