Nanaparitaka fampitam-baovao tamin’ny mpampahalala vaovao ny mpiandraikitra ny serasera ny fiadidiana ny Repoblika omaly fa dia halefa
amin’ny Radio Madagasikara sy ny Televiziona Malagasy anio alarobia 30 desambra 2015 ny hafatra ho an’ny firenena hataon’ny filohan’ny Repoblika amin’izao fiafaran’ny taona 2015 izao. Fombafomba ihany ny mikabary faran’ny taona, fa tsy misy manery ho tsy maintsy atao ny alin’ny 31 desambra ny hafatra, saingy Malagasy moa isika ka misy ihany ny fanamarihana heno toy ny hoe alarobia tsy miverina ny 30 desambra ity. Asa na kisendrasendra na tena nofidiana hatao anio ny kabary mba tsy hilazana fa manandro angaha ny tandapa.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.