Julien Andriamorasata

«Mbola tsy mety eto ny fanjakàna federaly!»


  • Alarobia 12 Aogositra 2026

Tsy mba manohitra ny fanjakàna federaly

na «état fédéral», raha izao manokana, hoy ny administratera sivily, Julien Andriamorasata. Manana ahiahy amin’izy io nefa ny tenako ary izay risika na ahiahy izay no ho resahiko, hoy izy, fa samy manana ny mahatsara sy maharatsy azy avokoa ny rafitra rehetra. Ny fanjakàna tokana na «état unitaire» na koa «état unitaire décentralisé» dia fanjakàna iray andefasana any amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaràm-pahefàna na CTD ny fahefàna. Alefa any ny ampahany be indrindra amin’ny fahefàn’ny fanjakàna foibe. Mety ho faritra, kaominina, faritany io, araka izay tapaka eo. Hisiana fampandrosoana mirindra, voalanja, haingana na «développement harmonieux, équilibré, rapide» no antony. Raha ny famaritana mahafaobe na «définition universelle» mikasika ny atao hoe fanjakàna federaly dia raha vao miresaka an’io dia tsy maintsy ahitàna «état fédéré», izany hoe fanjakàna miankina amina fanjakàna federaly na «état fédéral». Ny «état fédéral», izay manana lalàmpanorenana manokana, dia ahitàna «état fédéré» maromaro samy ahitàna lalàmpanorenana manokany avy ihany koa. Manana governemanta manokana ny «état fédéral». Manana governemanta manokana avy koa ny «état fédéré». Samy manana parlemanta daholo koa ireo izany, izany hoe depiote sy loholona. Samy manana ny fitsaràna misahana azy daholo koa ka izany rehetra izany no ipetrahan’ny ahiahy voalohany hoe mety hisy fifangaroam-pahefàna eo amin’ny «état fédéral» sy «état fédéré». Izay ilay antsoina amin’ny teny frantsay hoe «chevauchement ou piétinement de compétence ou de pouvoir». Mety hiteraka disadisam-pahefàna na «conflit de compétence» izany. Mety hisy koa ny disadisa politika, izay mety hiafara amin’ny fifandrefesana politika mihitsy. «Etat fédéré» miisa 25 ao Etazonia izao manomboka mitsipaka ny «état fédéral». Ny fanapaha-kevitry ny filoha amerikanina, Donald Trump, momba ny atao hoe «politique douanière», izany hoe politikan’ny fadintseranana, izay fahefàn’ny filoha amerikanina, no lavin’ireo fanjakàna miisa 25 ireo amin’izao fotoana izao. Efa ho ny antsasa-manilan’ny fanjakàna ao Etazonia, raha atao hoe miisa 50 eo ny fanjakàna ao, izany izao no mitsipaka ny fanapahan-kevitry ny foibe. Na inona na inona izany fahaizan’ny fanjakàna foibe ka tsy manaiky ny fanjakàna ambany fahefàny dia mety hiteraka olana. Ahiahy iray koa ny hoe mety tsy hitovy ny fampandrosoana ara-toekarena ireo fanjakàna isan’isany. Mety hisy «état fédéré» mandroso be satria miantso mpamatsy vola na orinasa any ivelany izay tsy ieràny intsony amin’ny «état fédéral» hamatsy azy na hiara-hiasa aminy, eny, mety hitaky fahaleovantena amin’ny «état fédéral» mihitsy ilay «état fédéré» ary misy «état fédéré» tsy mandroso mihitsy. Mety hiteraka «disparité économique» na tsy firindràna ara-toekarena izany amin’io rafitra io. Risika iray koa ny fananana teny ofisialy na «langue officiel» marobe. Maromaro tsinona ny foko eto Madagasikara. Eo ny atao hoe «cessession», «veuilleté séparatiste», «division», izay azo hazavaina toy izao. Hahatsiaro ho matanjaka ny mponina ao amin’ilay «état fédéré» mandroso dia hangataka fahaleovantena. Tsy ho voasakanao izany na inona fahaizanao mitondra amin’izany fotoana izany. Zava-nisy tamin’ny andron’ny URSS izany. Miteraka fiokoana ary atahorana hiteraka fisaraham-bazana io izany. Raha ny zava-misy ara-poko, jeografika, kolontsaina, toekarena misy eto dia mbola tsy mety eto ny fanjakàna federaly! Tsy fanajàna lalàmpanorenana, lalàna, didim-panjakàna raisina no tsy mampandeha ny fitantanan-draharaham-panjakàna teto. Ratsy tantana ny raharaham-panjakàna fa eo koa ny fanaovana politika be loatra ao. Firenena feno fanjakàna efa mandroso no afaka mitambatra handroso anatina fanjakàna federaly fa tsy firenena mahantra toa antsika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT