Julien Andriamorasata

“Feno sampona ny fitantanan-draharaham-panjakana”


  • Zoma 25 Aogositra 2023

Tena akaiky ny filoham-pirenena izany talen’ny kabinetra izany, hoy ny adminisitratera sivily sady mpahaifitantanana raharaham-panjakana, Julien Andriamorasata.

Tokony ho fantany tsara ny mikasika azy, hoy izy. Misy fiantraikany amin’ny ataon’ny filoham-pirenena ny ataon’izany fa misy fiantraikany amin’ny fiandrianam-pirenena koa satria solontenan’ny filoham-pirenena mihitsy izany talen’ny kabinetra izany any amin’ireny lanonana na fivoriana ireny raha misy tsy fahafahany. Olona mahay, matotra, hendry, azo antoka izany. Ny filohan’ny repoblika dia tokony hijery tsara hoe iza no atao talen’ny kabinetra? Tokony ho fantatry ny filohan’ny repoblika ny toerana misy izany rehefa sendra tsy am-perin’asa izy! Izy koa matetika no mifandray amin’ny firenena any ivelany rehefa misy iraka ampanaovin’ny filohan’ny repoblika azy. Olona tena atokisan’ny filoham-pirenena ny talen’ny kabinetra ka eo no mampametra-panontaniana hoe nahafeno izay fepetra izay ve ilay talen’ny kabinetra? Mikasika ny zom-pirenen’ny filoham-pirenena moa dia efa mazava ny lalàmpanorenana ary tsy hiverenana intsony iny. Nahavariana na izany aza ny fanehoan-kevitry ny fitsarana. Tena nangataka an-tsitrapo zom-pirenena hafa ny filoham-pirenena malagasy. Tsy itsofoka lalina amin’iny aho fa midika fotsiny ireny hoe feno sampona na “scandale” ny fitantanan-draharaham-panjakana. Tsy fifankahazoana amin’ireo tomponandraiki-panjakana no dikan’izay. Midika izany fa tsy misy fanjakana tan-dalàna eto. Tsy mizotra amin’ny tokony ho izy ny fitantanan-draharaham-pirenena. Tomponandraikitra voalohany amin’izany ny filoham-pirenena satria izy no lehibe indrindra amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana na “chef suprême de l’administration”. Ny fisian’ny “scandale” dia mari-drefy iray ahafahana milaza fa tsy mandeha ny fitantanan-draharaham-panjakana. Be kotontana loatra. Misy fiantraikany amin’ny fampandrosoana izany satria tsy mifandraika amin’ny tena zava-misy ny fanapahan-kevitra raisina, hoy hatrany ity manam-pahaizana ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT