Josephin Andriandrainarivo

“Lalana mankany amin’ny faharendrehana izao!”


  • Zoma 12 Janoary 2024

Tsy ady seza no alaolana eto amin’ity firenena ity, hoy ny

filohan’ny fikambanana Manda aron’ny maha gasy, Josephin Andriandrainarivo. Tokony hampiaiky ny rehetra izao zava-misy izao, hoy izy. Na ireo manam-pahaizana fara-tampony io, na mpanam-bola, mpivavaka faran’ny votom-pinoana dia tokony hahatsapa fa lalana mankany amin’ny faharendrehana izao! Ny manambara vahaolana be dia be fa ny mahavita vahaolana tsy misy. Iaraha-miaina anefa ny olana. Mankany amin’ny faharendrehana tahaka ny volamena sy volafotsy isika izao. Arendrika anaty afo mahamay. Zanahary no nametraka ity tany ity ho Madagasikara sy tanin’ny malagasy. Tsy ho avelany ho foana ity. Tsy hisy Madagasikara ho foana anaty karatr’izao tontolo izao. Eo izy fa ho faharendrehana izao raha tsy mitandrina isika. Raha tsy tonga saina! Tsy izay vahaolana nataontsika nandritry ny taona maro izay izany no mendrika antsika. Samy mitebiteby daholo izao na iza na iza na amin’ny aretina io na fandriampahalemana na fihariana andavan’andro na fampianaran-janaka. Tsy misy afaka hiteny izany eto hoe izaho milamina. Ny mpanao politika milaza foana fa krizy. Ny mpitondra indray dia hoe betsaka no vita fa mbola be koa ny atao. Samy tsy misy afa-po no dikan’izany. Mila fifohazan-tsain’ny rehetra amin’ny toe-tsaina tia tanindrazana. Samy manana ny tandrify azy fa tsy hoe ny manam-bola sy be diplaoma ihany no miteny. Raha misy tokontrano iray mahantra eto nefa manefoefo ny manodidina azy dia mbola mahantra ihany i Madagasikara no dikan’izany. Tsy miaina amin’ny andon’ny lanitra sy ny tsiron’ny tany araka ny tsodranon-drazana isika amin’izao fotoana izao. Miha fohy ny andro ivelomany. Miha tsy mifanaja sy mifampatoky fa mifampisoloky ary mifanapatra fahefana. Ny biby sy tontolo iainana mandripaka. Simba ny tanimboly sy ny tontolo iainana. Mila fandinihan-tena ho an’ny tsirairay izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT