Josephin Andriandrainarivo

«Fafao amin’izay io lalàna mamorona ny EMMO io!»


  • Zoma 24 Oktobra 2025

Nitaky noho ny tsy fisian-drano sy herinaratra

ireo tanora, indrindra, ny teny amin’ny anjerimanontolo no niatombohan’izao rehetra izao, hoy ny filohan’ny Manda aron’ny maha gasy, Josephin Andriandrainarivo, nampahatsiahy. Hita tanatin’ireny, hoy izy, ny hafanàm-pon’ny tanora mihetsika sy mitaky zavatra. Ny mampalahelo dia ny fitondràna tsy maka lesona. Misy fitondràna eto isan-taona fa olana foana, ohatra, ny enti-manan’ny mpianatra sy mpampianatra. Takiana foana isaky ny mihetsika ny fampitaovana sy vatsim-pianaran’ny mpianatra na «bourse» sy «équipement». Tokony ho lesona ho an’ny fitondràm-panjakàna manomboka izao ny manao laharam-pahamehana ny fanomezana izany sy ny famahana ireo olana itambaran’ireo mpampianatra sy mpianatra ireo amin’ny sarambabem-bahoaka. Olan’ny rano sy herinaratra izany iraisana amin’ny mpanao lagilasy, mpanjaitra, mpanao dika mitovy na «photocopie» sy fanontana na «impression» isan-karazany. Izany no maha tetezamita mankany amin’ny fanorenana indray ny firenena ilay fitondràna mijoro izao. Ho anay ao amin’ny Manda aron’ny maha gasy dia io indrindra no tena ijoroana hoe hanorenana rindran-damina tena mifanaraka amin’ny maha malagasy. 15.000 karazana ny zava-maniry eto ambonin’ny tany ary eto Madagasikara ny 80%. Nataon’Andriamanitra hanana ny maha izy azy manokana ity firenena ity. Ny rindran-damina iainana, soatoavina iainana ao anatiny dia tsy mitovy amin’ny firenen-kafa. Tokony hifaneken’ny rehetra ny fametrahana rindran-damina ho atao fifidianana ny rafitra tiana hitondràna ity firenena ity hoe mbola ho atao repoblika ve sa federalisma sa fitondràna mpanjaka sa hiankina amin’ny finoana dia samy tokony hifandresy lahatra amin’izay maha resy lahatra azy ny rehetra? Tena ankasitrahako ny hoe rehefa tsy mahomby ny mpitondra dia miala na esorina. Maninona no tsy lazaina ny tena olana dia ny fankanesana any amin’ny «Cellule africaine de l’Elysée» na mbola eo ambanin’ny fanapahan’ny frantsay amin’ny alalan’izany vao tafapetraka mitondra eto? Mila miala amin’izany tanteraka isika. Toy ny «charte Lambert» nataon’ny mpanjaka Radama II izany. Lazaina fa mamono olona foana na manao hery famoretana ny mpitondra hatramin’izay. Tany amin’ny taona 1962 dia misy lalàna mipetraka nataon’ny mpanjanantany izay manome fahefàna ny mpitondra hampiasa ny prefe ka mamorona ireo EMMO ireo hanao hery famoretana. Fafao amin’izay io lalàna mamorona ny EMMO io! Tsy ilaina akory izany mpanohitra izany eto fa ny satan’ny fitondràna no tokony mipetraka sy faritana tsara hoe inona no azon’ny mpitondra atao na tsia? Tsy ilàna sata izany akory ny mpanohitra satria manjary lasa asa ilay manohitra ka na mety na tsia ny ataon’ny mpitondra dia lasa mifanenjika foana. Ny fitondràna no tokony ferana ny azony atao sy tsy azony atao, amin’ny alalan’ireo balizy, dia ireo andrim-panjakàna omena fahefàna matanjaka amin’ny fahafaha-manara-maso azy sy mandray fepetra amin’izay mihoa-pefy, hoy hatrany ity filohan’ny Manda aron’ny maha gasy sady raiamadreny ara-drazana ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Paul Rabary
  • Alarobia 22 Aprily 2026

«Apetraho dien’izao ny rafitra tsy mitanila!»

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT