Politique

Joseph Yoland “Mila atao mitovy ny fampandrosoana isam-paritra”


  • Alakamisy 12 Janoary 2023

Ny fiarovana ny firenena sy ny vahoaka madinika maro an’isa izao no tena iraka na “mission” eto, hoy ny loholona teo aloha, Joseph Yoland. Mila mahay manome lanja ireo harenantsika isika, hoy izy.

Tsy mety izany isika manafatra vary izany nefa betsaka ny tany azo ambolena vary eto. Mila ovana ny fehezan-dalana rehetra eto satria teren’ny frantsay ny lalantsika eto. Misy zavatra tsy milamina sy tsy mbola voakasika ao ka eo no ilana ny hoe isika jiaby tena voakasiky ny zavatra tokony kasihina dia ny fiarovana ity firenena ity. Tokony atao anaty lalampanorenana hoe izay manana zom-pirenena hafa ankoatran’ny malagasy dia tokony tsy hilatsaka filoham-pirenena intsony. Lasa miaro ilay firenen-kafa izy raha vao mihoatra ny 1 ny zom-pirenena ananany. Mila miova daholo ny lalana rehetra. Tsy olana na eto daholo aza ny rafi-panjakana rehetra satria eto no renivohitra fa ny fampandrosoana no mila atao mitovy ny isam-paritra. Tokony hitovy ny anjara famatsiam-bolan’ny isam-paritra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT