Politique

Joseph Yoland “Fifidianana lalàna aloha no tokony atao”


  • Alarobia 01 Febroary 2023

Efa ela no tokony niheverana ny sosialim-bahoaka ho laharam-pahamehana, hoy ny loholona teo aloha, Joseph Yoland. Tsy fahaizana mandrafitra laharam-pahamehana,

hoy izy, no mahatonga ny hoe izao vao ho atao laharam-pahamehana izany. Nalefa tamina zavatra hafa ny vola rehetra dia izao fanina amin’izay. Tena lera tokoa izao fa tsy leralera fahatany anefa fa lera hijerena ny tombontsoam-bahoaka. Leralera fahatany ny ohatra hoe hanao tetezamita na fitadiavan-tseza. Ny ahy dia hoe ahoana no hitsinjovana ny vahoaka madinika sy ny tombontsoam-pirenena? Izay no nandaniako fotoana sy vola tamin’ny tetezamita teo niantsoako ny manam-pahaizana rehetra. Na fifidianana na iza na iza ho avy eo rehefa tsy ovaina ny rafitra dia tsy ho tafavoaka mihitsy ity firenena ity. Ovaina ny lalana rehetra sy ny lalampanorenana. Tsy azo atao intsony, ohatra, ny hoe olona manana zom-pirenena hafa ankoatran’ny malagasy no atao filoham-pirenena. Tsy mitsinjo ny tombontsoam-pirenena izany fa ny tombontsoany manokana satria manana zom-pirenena hafa. Fifidianana lalàna aloha no tokony atao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT