Joseph Yoland

«Apetrao eto Madagasikara ny marina!»


  • Alakamisy 28 Martsa 2024

Teraka tao Antsiranana renivohitra aho, hoy ny filohan’ny antoko politika Matsilo, Joseph Yoland.

Avereno any Antsiranana, hoy izy, ny ben’ny tanànan’Antsiranana fa tsy lojika ny fisamborana azy. Ben’ny tanàna andeha hivory hanamboarana ny tanànan’Antsiranana no voasambotra. Apetrao eto Madagasikara ny marina! Raha nisy tsy nety nataony dia anjaran’ny tomponandraiki-panjakana voakasika no mitady ny marina fa rehefa tsy izay dia avereno amin’ny toerany ilay ben’ny tanàna fa sahirana ny kaominin’Antsiranana. Ny tsy fifankahazoany amin’ny filoha lefitry ny antenimieram-pirenena sy ny governora no antony hanenjehana azy, raha ny fahitako azy. Any Antanimora izy raha ny heno ka avoahay io ben’ny tanàna io fa te hanamboatra ny tanànan’i Diego. Haka vola amin’ny banky iraisampirenena no niakarany teto Antananarivo dia hanamboatra ny tanànan’Antsiranana amin’io vola io, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT