Politique

José Vianey Mitaky lalam-pifidianana eken`ny rehetra


  • Talata 24 Aprily 2018

Manoloana ny zava-nitranga ny 21 Aprily 2018 dia naneho ny heviny ny antoko RAM na ``Rassemblement pour l`Avenir de Madagascar``, izay tarihin` i José Vianey. Nambaran`ity filoha nasionalin`ny RAM fa ao anatin`ny tarigetran`ny antoko ny fampihavanana ny samy Malagasy sy ny fanorenana ny firenentsika.

Noho izany, manameloka ny fandatsahan-drà ny mpiray tanindrazana na inona na inona ny tsy fitovian-kevitra ara-politika misy eto amin`ny Firenena.  Momban`ny raharaham-pirenena dia nanazava izy fa mitaky lalam-pifidianana eken`ny rehetra mba hisorohana ny disadisa mety hitranga ao anatin`ny fiantrehana ny fifidianana. Hisorohana sy hatao izany rehetra izany mba tsy hiverimberina intsony eto amin`ny firenenantsika ny ratra sy ny famoizana ny ain`ny mpiray tanindrazana izay miafara amin`ny loza sy ozona amin`ny firenena. Iray amin’ireo kandida nanolotra ny tenany fa hirotsaka hisedra ny safidim-bahoaka i José Vianey. Miondrika am-panajana amin`ireo izay namoy ny ainy ary mirary fiononanana ho an`ireo fianakaviana izay namoy zanaka sy havana tamin`ny zava-nitranga ny sabotsy lasa teo ary mirary fahasitranana sy fahasalamana ihany koa ho an`ireo izay naratra hoy hatrany ny tenany. Ny 17 martsa lasa teo moa no nilaza tamin`ny fomba ofisialy ny maha kandida filoham-pirenena azy i José Vianey, izay fantatra fa anisan’ny teknisianina tsara fifandraisana amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena, ary mahalala tsara ny zava-misy ara-toekarena eto.


Marigny A.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT