José Andoharano

« Mbola tsy vita ny tolona, nisy fampijabahana ny Filoha !»


  • Talata 04 Novambra 2025

Namily sy namadika ny Tolom-bahoaka 2025

izay niarahan'ny tanora générations Z, ny Tafika CAPSAT ary ny vahoaka mpitolona eran'ny nosy ny mpitondra ny tetezamita ankehitriny, nefa tolona namoizana ain'olona maro sy rànandriaka ary fahapotehana sy faharavam-pananana no nahafahana nampandositra ny Filoha Rajoelina Andry sy ny forongony », hoy i José Razafimandimby na José Andoharano tsy nisorona. Nambarany, fa nanendry Praiministra sy Minisitra hiaro ny tombotsoa sy ny fananan'ireo olona nampidi-doza teo aloha tamin'ny Firenena, nandroba harem-pirenena, ireo nandika lalàmpanorenana niverimberina, ireo namadika tanindrazana indray no nihazakazahan 'ny mpitantana ny fitondrana tetezamita ankehitriny, ka lasa nampandositra ireo olon-dratsy any ivelny, izay tokony nosamborina sy namerin-kalatra daholo. Tena mahamenatra sady manalabaraka eran'izao tontolo izao, hoy izy, ny « Démocratie des Minoritaires » nataon'ireo Depiote ao Tsimbazaza sy ny didy navoakan'ny HCC nampijabaka ny FILoham-Panjakana ka lasa nandika lalàmpanorenana. Noho izany, milaza ny tenany fa tsy mbola vita ny tolona, tsy mbola tratratsika ny tanjona ho amin'ny fanovan-drafitra hatrany ifotony, satria zary lasa mandondom-baravarana amin'ireo ministera isan- tsokajiny ny tanora mpitolona sy ireo sendikan'ny mpiasa ary indrindra ireo mpitolona tia tanindrazana. Ny hetsiky ny tanora no lasa tatazin'ireo olon-dehibe mpanao politika ka naviliny ho amin'ny tombotsoan'antoko politika efa tsy nahavita zavatra teto amin'ny firenena, hoy hatrany ny tenany. Noho izany, ny vahaolona natolotr 'i Atoa José Andoharano tamin'ny tolom-bahoaka navoaka tamin'ny haino amanjery ny 1er Octobre 2025, dia ny hisiana fanadiovana sy fanasana ny Loton'ny 200 taona no lalana mahitsy sy mazava ary ara-dalàna hamahana izao krizy lavareny mahazo ny vahoaka malagasy izao, ka anaovana antso avo amin'ireo vahoaka malagasy mpitolona tia tanindrazana sy ny sendikalista rehetra ary ny « dernier rempart » hitsangana hifanome tanana hanavotra ny Firenena ho amin'ny fanovana sy fampandrosoana ara-drariny tsy mitanila satria tsy misy mahavita irery Firenena, raha ny fanehoan-keviny hatrany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Paul Rabary
  • Alarobia 22 Aprily 2026

«Apetraho dien’izao ny rafitra tsy mitanila!»

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT