Nazava ny tatitry ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita na CENI-T, hoy i Joachim Chissano, lehiben’ny mpanelanelana iraisam-pirenena avy amin’ny SADC momba ny raharaha Madagasikara. Mbola andrasana kosa ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana na CES raha mifanaraka amin’ny vokatra ofisialy. Ilaina ny fitoniana eo am-piandrasana ny voka-pifidianana ofisialy ka asaina ny vahoaka Malagasy hanampy ireo andrim-panjakana hanana toetra mendrika ary hanaiky ny vokatry ny latsa-bato mivoaka eo.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.