Jiro manazava an'Iarivo

Raikitra ny "kopi kole" Tahina Razafinjoelina


  • Talata 05 Novambra 2024

Fokontany 15 ao amin'ny boriboritany Antananarivo faha-3 no hizarana lampadaire na jiro mandeha amin'ny herin'ny

masoandro apetraka eny an-dalambe miisa 95. Izay indray ny vaovao naparitaka ny tolakandron'ny alatsinainy 4 novambra.
TETIKASAM-PANJAKANA Voalaza fa tafiditra ao anatin'ilay CIAD na "Crédit d'investissement destiné à l'appui au développement", na fampiasam-bola fanohanana ny fampandrosoana eny anivon'ny distrika miampita any amin'ny kaominina izy ity ary anisan'ny tompon'andraikitra amin'ny fitantanana sy fitsinjarana izany ny solombavambahoaka. Solombavambahoaka kandida amin'ny fifidianana ben'ny tanàna eto an-drenivohitra moa no anisan'ny nizara io vaovao io. Somary mampametram-panontaniana ihany hoe aiza ilay resabe natao momba ny etika amin'ny fanaovana politika ? Fa toa zavatra avy amin'ny fanjakana no hireharehana kandida milaza fa tsy miankina, sa efa manafangaro fahefana sahady ?
"KOPI KOLE" TAHINA ?
Ny mahafinaritra kosa anefa dia tena hazava ihany izany ny faritra sy elakelatrano rehetra eto Antananarivo renivohitra mandra-pahatongan'ny fifidianana ben'ny tanàna ny 11 desambra satria raikitra ny fanolorana jiro isam-pokontany .Tsara ho marihina kely fotsiny fa ao anatin'ny vinan'ny kandida laharana faha 2 Tahina Razafinjoelina ary efa natsidiny tao amin'ny fandaharana manokana nataony ny 4 oktobra 2024 ny jiro solaire na jiro maharitra ho an'antananarivo.
NAMETRAKA "JIRO SOLAIRE" MIISA 500
Nanomboka ny asa momba azy io ny 14 oktobra ary hatramin'ny 1 novambra lasa teo, izany hoe tapabolana niasana ny kandida Tahina sy ny ekipany dia jiro solaire na lampadaire miisa 500 no napetraka tamina faritra miisa 80 teto Antananarivo renivohitra. I Tahina Razafinjoelina izay nanambara fa azo atao tsara mihitsy ny manatanteraka ny tetikasa panneaux solaires isan-tokantrano eto Antananarivo.Mandoa tsikelikely ny sarany araka ny fahefa-mividiny ny isan-tokantrano. Indray mandeha manao "installation" tsy mila kaontera, tsy mila faktiora intsony avy eo. Ka asa hoe kandida iza indray no hanao kopi kole izay vinan'i Tahina izay atsy ho atsy.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT