JIMMY RANDRIANTSOA

Mbola kandida Ben’ny tanana atolotry ny TIM ao Alasora


  • Zoma 06 Septambra 2024

Mbola i Jimmy Randriantsoa no kandida Ben’ny tanana atolotry ny antoko Tiako I Madagasikara

ao amin’ny kaominina Alasora Avaradrano amin’ny fifidianana Ben’ny tanana hotontosaina ny 11 Desambra ho avy io. Nahazo tso-drano avy amin’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny tenany noho ireo asa fampandrosoana marobe vitany teo anivon’ity Kaominina iray ao Avaradrano ity. Mbola vonona araka izany i Jimmy Randriantsoa hampandroso an’Alasora hatrany raha araka ny tafa fohy nataony tamin’ny mpanao gazety omaly. Mikasika ny fikarakarana ny antontan-taratasy manokana dia nambarany fa tsy manana olana ny tenany fa mizotra an-tsakany sy an-davany avokoa izany. Ny taratasin-ketra izay nambarany fa omaly Alakamisy 05 Septambra vao nivoaka sisa no andrasana dia milamina avokoa ny zava-drehetra.
Pati
Legende : Jimmy Randriantsoa mbola vonona hampandroso hatrany ny Kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT