Politique

Jerry Rakotoarijaona «Samy hafa ny fihetsiketseham-bahoaka sy tolom-bahoaka»


  • Zoma 02 Jona 2023

Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.

Mbola variana amin’ny fiatrehana fiainana ny olona ary izany fidinana an-dalambe izany midika fifehezan-tena goavana, hoy izy. Izao ve no mbola hiampy fifehezan-tena sy fihafiana indray? Tsy hisy ho resy lahatra amin’izany. Faharoa, eo koa ny mpitarika. Tsy ny olona rehetra no hahasarika hitarika ary tadidio fa ny tambazotran-tserasera dia azo hakana «j’aime» an’aliny fa ny olona hihaino anao aty amin’ny tena fiainana mety ho 20 sy 25 isa. Mifantoka kokoa amin’ny fifidianana ny olona dia hoe aza korontanina intsony! Samihafa ny fihetsiketseham-bahoaka sy tolom-bahoaka. Oviana moa no nisy fihetsiketseham-bahoaka teto Madagasikara ka tsy nisy mpitandro filaminana? Rehefa tena tapa-kevitra nefa ny olona fa tsy foroporonina na karamaina dia tsy ho voatazon’ny mpitandro filaminana izany. Izany daholo no zava-nisy na tamin’ny 1991 na 2002 na 2009 na 2018, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT