Jerry Rakotoarijaona

«Sady mila mahay miasa no mahay mikabary ny depiote!»


  • Talata 07 Mey 2024

Ifaninananareo ny miditra am-piangonana, hoy ny filohan’ny Vahaolana anio sy rahampitso na VAR,

Jerry Rakotoarijaona. Toy izany koa, hoy izy, ny maka tso-drano etsy sy eroa, ny mitakosina amin'ny fiarahamonina kanefa misy aminareo tsy ho lany mihitsy ary misy tsy ho lany intsony. Na izany aza dia misy aminareo koa ho lany noho ny loko na vondrona politika na anaran'olona entinareo fotsiny fa enga anie ka hitondra soa ho an'ny vahoaka soloinareo vava hiteny tokoa ny fisianareo ao! Solon'ny vavan'ny vahoaka hiteny hoy aho fa tsy solon'ny vavany ihinana izay tokony ho anjarany indray akory. Misy aminareo koa dia ilay "immunité parlementaire" na fiarovana manokana amin’ny maha depiote no tena mahamaika azy hirotsaka ary hanaovany izay fomba rehetra ahalany azy. Azafady! Tsy dia fampiasa amin'io toerana io ilay hoe "asa fa tsy kabary" fa sady mila mahay miasa no mila mahay mikabary izany depiote izany, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT