Politique

Jerry Rakotoarijaona “Mpitondra fivavahana no namaha ny krizy rehetra teto”


  • Talata 17 Janoary 2023

Fomba fanoherana teto amin’ny firenena hatramin’izay ny mamorona tranga iray miteraka resabe, hoy ny mpikamban’ny Vovonan’ny tanora tia tanindrazana mitaky fanovana na JPRM, Jerry Rakotoarijaona.

Haintsika tsara fa taom-pifidianana ity 2023 ity, hoy izy. Mafy kokoa ny ataon’ny mpanohitra izao hamelezana ny fitondrana satria fantany fa raha hitan’ny vahoaka tokoa ireo zava-bitan’ny fitondrana izay mipetraka hitondra soa ho an’ny taranaka mihitsy dia ho sarotsarotra ihany ny handreseny ny mpitondra ankehitriny. Raha ho an’ny RMDM fotsiny izao dia efa in-telo nanao fanambarana ny filohan’izy ireo, Marc Ravalomanana, tamin’ity taona ity ary midika izany fa mila miseho izy. Mila manao toy ireny tany Toliara ireny satria taom-pifidianana ity. Tsy azo heritreretina izany resaka “ni…ni” na fiketrehana fanakanana kandida tsy hirotsaka izany satria fanimbana ny vahoaka malagasy izay nahatonga ny depiote 73 nidina an-dalambe ny 2018. 8% no azon’ny kandida teo amin’ny fitondrana ary tafarotsaka soamantsara ihany ireo kandida neritreretina ho sakanana. Ny amin’ny hoe fikononkononana tetezamita indray dia iza moa no hahazo tombony amin’izany? Ny fanjakana ve? Hisy hiheritreritra hanatanteraka politika tsy ahazoany tombony izany ve? Tsy misy lalana angamba mandrara ny fanaovan’ny mpitondra fivavahana politika. Ny toerana sy fotoana hanaovana fanambarana politika no mila jerena tsara hoe eny ambony polipitra ve sa aiza? Maro ireo mpitandrina sy pretra nanao politika nalaza teto amin’ny tantaran’I Madagasikara. Ny fampifangaroana ny fivavahana sy ny politika kosa no tsy mety satria ny fiangonana tsy tokony hanaovana politika. Samy manana ny firehany tsinona ao anatin’io fiangonana io. Ny fiangonana tokoa no tokony hiara-hiasa voalohany amin’ny fanjakana eo amin’ny fanabeazana olom-pirenena. Ny mpitondra fivavahana no namaha ny krizy rehetra teto, hoy hatrany ny tenany, saingy tsy izy kosa no tokony hitarika fikomiana amin’ny mpitondra.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT