Politique

Jeneraly Tsaranazy Jean Emile “Tsy ho lany ny filoham-pirenena ankehitriny”


  • Alarobia 21 Desambra 2022

Miha ratsy isan’andro ny fari-piainan’ny malagasy, hoy ny minisitry ny asa vaventy teo aloha, mpanao politika, jeneraly misotro ronono, ny jeneraly Tsaranazy Jean Emile.

Tsy manara-dalàna voalohany ny mpitondra ka ahoana moa no hanara-dalàna ny olona entina, hoy izy? Efa anaty krizy isika io na tsy mbola misy ra mandriaka aza. Ny nantenain-kanirina no nampivandravandra. Ny maro an’isa ao amin’ny antenimieram-pirenena izay tokony hanohana ny praiminisitra indray, satria ny praiminisitra no voalazan’ny lalampanorenana fa lehiben-drizareo, no mangataka ny fialany. Tsy mahatsiaro tena ny praiminisitra fa izy mihitsy no tokony hametraka fanontaniana ao amin’ny antenimieram-pirenena hoe ekenareo sa tsia ny mbola hitondrako ny governemanta? Tsy mila fanangonan-tsonia sy dingana lavabe izany fa latsa-bato dia vita. Mivoaka avy ao ny “Eny” dia matanjaka ny andrim-panjakana. Miala am-boninahitra kosa izy raha “Tsia”. Efa miaina anaty krizy isika izao. Ny mpiasam-panjakana mihena ny karamany. Ny any amin’ny sehatra tsy miankina toy ny any Taolagnaro tsy mahazo fahafaham-po raha tsy mitokona. Samy mihevitra ny rehetra izao fa anaty krizy mangitsokitsoka I Madagasikara na misy fikaonandoham-pirenena na tsia. Tokony ho tonga saina voalohany ny mpitondra fa tsy hiandry fifidianana. Tsy misy intsony ny fifampatokisan’ny ao amin’ny andrim-panjakana matoa nisy iny sonia miisa 105 iny. Nisy fitsipaham-pitokisana koa tamin’ny fitondran’ny filoha Ratsiraka. Tsy nisy ny olana. Tsikaritra fa nisy tamin’izany ny hetsi-bahoaka 1991. Fifidianana filoham-pirenena ny taona 1993. Amiko, ny nandresen’ny filoha Zafy Albert ny filoha Ratsiraka dia niainga tamin’ny krizy 1991. Isika izao 2022, efa anaty krizy. Manambara sahady izany fa tsy ho lany amin’ny 2023 ny filoham-pirenena mitondra ankehitriny, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT