Jeneraly sy kolonely maro notendrena lehiben’ny Faritra

> Hanao herimpamoretana hametrahana fitondra-miaramila ?


  • Alakamisy 21 Novambra 2013

Mamofompofona hafahafa ! Lehiben’ny Faritra miisa folo no indray nosoloina.

Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly ny didim-panjakana manendry azy ireo ka manamboninahitra ambony ny valo amin’izy ireo raha administratera sivily ny roa, dia ny

Jeneraly Robert (Atsimo Andrefana), Jeneraly Ranaivoson David (Atsimo Atsinanana), Jeneraly Randriamarolo Jean Félix (Vatovavy Fitovinany), ny Kolonely Rahovelson Fanomezana Israël (Anosy), Kolonely Maevalaza (DIANA), Kolonely Reribake Jeannot (Ihorombe), Kolonely Vohason Mitovisoa (Melaky), Kolonely Serge Elliot (Sofia) ary ny Administratera sivily isany Talata Michel (Atsinanana) sy Mananjara Lucien (SAVA). Manao ranolava ny fanontaniana eo anatrehan’izao fanoloana Lehiben’ny Faritra izao indray, iray volana alohan’ny fifidianana filoham-pirenena. Vao mandre sy mahita ny fanendrena ireto manamboninahitra maro ireto koa ny maro dia velom-panontaniana hoe fa hiroso amin’ny fitondra-miaramila angaha ny tetezamita ? Vao mainka mampitombo ny ahiahy ny fahenoana fa noho ny toe-draharaha politika sy ny tsy fandriampahalemana no anton’izao fanendrena izao. Dia ahoana indray izany ny amin’ilay volabe nomena ny mpitandro ny filaminana hoe hiantohana ny filaminana mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana ? Tsy namokatra indray izany fa toa rano nararaka andamosin-gisa fotsiny ? Tsy vao izao no nandaniana volabe ny mpitandro ny filaminana fa hatramin’ny nitarihan’i Andry Rajoelina ny tetezamita, taorian’ny fanonganam-panjakana.

Nividianana helikôptera, nihazakazahana ny fanondrotana grady, ary tsy nandefitra mihitsy amin’ny fahazoana tambinkarama… fa inona no vokatra ? Ka zava-mahagaga inona no hiseho amin’izao fanendrena manamboninahitra ambony hitantana ny Faritra izao raha tsy hoe hanao herimpamoretana hametrahana fitondra-miaramila. Inoana fa hampihiratra ny masom-panahin’ny Malagasy izao toe-draharaha izao, ka hanapahany hevitra hentitra fa mila faranana amin’ny fomba demokratika izao tetezamita izao, hanilihana ny mpanongam-panjakana raha tsy tiana ho potika ity firenena ity. Marihina fa andiany faharoa tamin’ny fanoloana lehiben’ny Faritra nitranga tato anatin’ny telo volana io omaly io. Tamin’ny 09 aogositra 2013 ny andiany voalohany, ka fito lahy no indray voatsoka tamin’izay ary nosoloina Administratera sivily avokoa. Ny lehiben’ny Faritra Matsiatra Ambony Raharison Benjamin, ny an’Atsimo Atsinanana ny Kolonely Namany Belone, ny an’i Bongolava, Vorisoa Hajaniaina Andry Aurélien Tafita ary ny an’Analamanga Randriambololona Mananjara no hany tsy voakitika tamin’izy 22 notendrena in-droa miantoana tamin’ny 19 aprily 2009 sy tamin’ny 09 mey 2009.

JD

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT