Jeneraly Richard Ravalomanana

Mety hanamarika ny taona 2025


  • Alarobia 22 Janoary 2025

Tsy any amin’ny resaka hoe mety ve sa tsy mety ny nataony na tsara ve sa ratsy fa hatreto aloha

dia nampisongadina ny tenany avokoa ireo fanehoan-kevitry ny filohan’ny antenimierandoholona, ny Jeneraly misotro ronono, Richard Ravalomanana. Tamin’ny ankapobeny moa dia isan’ny tsikera nandeha ny hoe fanehoan-kevitra feno fihantsiana na mahay vava, hoy ireo tsy mankasitraka izao fitondràna ankehitriny izao, saingy tetsy ankilany kosa nefa dia tena nahafaly ireo mpanaradia ny fitondràna mijoro izany ary tena nireharehan’izy ireo hoe izany ka fiarovana ilay fitondràna. Heverina fa mety hanamarika ny taona 2025, noho izany, ity filohan’ny antenimierandoholona ity sy ireo fehezanteniny nisongadina tahaka ny hoe «Tsy mahantra ny malagasy satria misy tohamboivoy sy mpiantsena anaty tsena lehibe na «grande surface».» sy ny hoe «Tsy misy vahoaka maharesy miaramila izany.». Ny tantara no hitsara, hoy ny filohan’ny antoko politika Maeva, Mamy Raharimanana. Andrasana ny mety ho fivoaran’izao toe-draharaham-pirenena izao. Inona marina no tena tanjon’ity Jeneraly ity amin’ireny fanehoan-keviny mitohivakana ireny? Ny tsy azo adinoina aloha dia ny hoe lehilahy faharoa eto amin’ny firenena ny tenany ary izy no natao handimby toerana ny filoham-pirenena rehefa misy fotoana ilàna izany, araka ny voafaritry ny lalàna.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT