Jeneraly Ravalomanana

Niverina ho Filohan’ny Antenimierandoholona


  • Talata 19 Desambra 2023

Niverina nandray ny andraikitra maha Filohan'ny Antenimierandoholona azy eny amin'ny Lapan'ny

Antenimierandoholona Anosikely ny Jeneraly misotro ronono Atoa Ravalomanana Richard. Ny tenany izay niantsoroka ny andraikitra maha Filoham-panjakana mpisolo toerana ny tenany nanomboka ny 27 oktobra 2023 ka hatramin'ny 16 desambra 2023, araka ny fanapahana laharana faha 19-HCC/D3 navoakan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana tamin'ny 27 oktobra 2023. Isan’ireo olona mahatokin’i Andry Rajoelina ny tenany, ary azo heverina ho nahatanteraka ny iraka politika nampanaovina azy teo anatin’izay toe-draharaha politika nangotraka izay, toy ny fifehezana ny fihetsiketsehana sy fanoherana tamin’ny endriny maro nataon’ny antoko mpanohitra. Na izany aza, adihevitra ny nahatongavany tao Anosikely sy ny nahatonga azy ho Filoham-panjakana mpisolo toerana satria nisy ny karazana fitoriana teny amin’ny HCC momba ny fanonganana ny Filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha Atoa Herimanana Razafimahefana, toy ilay didim-panjakana niantso fivoriana tsy ara-potoana tetsy Anosikely izay nisy ny nanasokajy azy ho tsy ara-dalàna satria tokony hiaraka hantsoina foana ireo andrim-panjakana mpanao lalàna roa dia ny eny Anosikely sy Tsimbazaza. Anisan’ny nametraka taratasy tao amin’ny HCC ny Filohan’ny antenimierandoholona teo aloha sy ny depiote avy amin’ny fanoherana saingy tsy dia re intsony ny akony sy ny tohiny.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT