Jeneraly Ratrimoarivony Guy

> Manohana an’ny kandida Dr Robinson


  • Alakamisy 19 Desambra 2013


Niandry fotoana farany saingy tsy mbola tara ny fanambarana fanohanana ny kandida Dr Robinson Jean Louis nataon’ny jeneraly Ratrimoarivony Guy, isan’ireo kandida filoham-pirenena tamin’ny fihodinana voalohany. Omaly no nanaovany fanambarana mikasika izany sady nanentanany ny vahoaka malagasy mpifidy hanefa ny adidiny amin’ny 20 desambra 2013 ho fanehoana ny fandalana sy fitiavana ny demokrasia, ary ny fiarovana azy tsy hohitsakitsahana. N’inon’inona mitranga, dia mijoroa, arovy ny hevitra sy vinanareo. Tsarovy lalandava fa ny fahefana dia raisina amin’ny alalan’ny fifidianana irery ihany, hoy ny jeneraly Ratrimoarivony Guy izay nanolotra am-pitiavana ho vatsy ny hira fanevan’ny Akademia Miaramila izay miafara toy izao : “Miseho aho, mijoro aho, fa ny zavatra kendrena dia ho an’ny firenena. Ataovy tarigetra fa ny asanao rehetra dia ho an’ny Tanindrazana”.

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT