Ao anatin’izao fotoana fanoloran’ireo ankolafy politika samihafa eny Ambohitsorohitra ny anarana samihafa heverina fa afaka hitana ny toeran’ny praiminisitry ny tetezamitan’ny marimaritra iraisana izao, dia mandehandeha eny amin’ny Lapan’ny Tsimbazaza eny koa hatry ny omaly ny anaran’ny Jeneraly Pily Gilbain izay Komandin’ny zandarimariam-pirenena farany tamin’ny andron’ny filoha Marc Ravalomanana ary nosoloin’ny fitondrana FAT ny kolonely Razafindrakoto Jean Bruno Wilfrid ny 21 aprily 2009. Rehefa ho manamboninahitry ny tafika Malagasy ihany no voizin’ny rehetra fa tokony hitana ny toeran’ny praiminisitra, hoy ireo mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita maromaro tafavory teny amin’ity Lapa ity, dia manolotra ny Jeneraly Pily Gilbain ho amin’izany toerana izany izahay.
Tsy hay aloha izay fomba hanatanterahan-dry zareo ireto izany hetahetany izany satria tazana fa tena samy hafa loko tanteraka tsy miaraka amina vondrona iray akory izy rehetra ireo. Ny niombonan’izy rehetra dia ny hoe : ity kandidà iray ity no mamaly indrindra ny teboka voalazan’ilay sori-dalan’i Sandton, fa sady tsy mpifandray tendro amin’ny ankolafy Rajoelina fa akaiky tamin’ireo teo aloha, no tsy iray fihaviana aminy ihany koa ary indrindra olon’ny fandaminana tanteraka araka ny filamatry ry zareo zandary hoe : tanindrazana sy lalàna. Fa nampihatra ny lalàna tokoa tamin’ny fotoan’androny ho an’izay rehetra nanao ny tsy nety mba ho tombontsoan’ny daholobe. Nanao zava-dehibe ny fiarovana ny ain’olombolena sy ny fananany araka ny tarigetran-dry zareo ihany koa ary nandamina ny toe-draharaham-pirenena tamin’ireny fanombohan’ny savorovoro politika.
Efa tamin’izany naha komandin’ny zandarimariam-pirenena azy izany izy, hoy ny fanamarihan’ireto CT maromaro ireto no niantso an’ireo mpanao politika hifanome tanana hamahana ny krizy, mba hampanjakana ny fandriampahalemana eto amintsika. Niangavy ny vahoaka ho tony ihany koa fa vonona ny hiaro azy ny zandary miaraka amin’ny polisy sy ny tafika ary nanome baiko ny zandary tsy an-kanavaka mba tsy hidikiditra amin’ny raharaha politika. Ka tsy io ve izany, hoy izy ireo, ilay olona tena ilain’ny rehetra mba ahazoana ilay fankatoavana sy filaminan’ny rehetra ?
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.