Politique

Jeneraly Lumène Rasolofo “Firenena sosotra amin’ny frantsay no misy Wagner”


  • Alakamisy 02 Martsa 2023

Efa nisy siosion-dresaka toy ny efa misy foana koa teto tamin’ny fotoan’androny hoe tafiditry ny fanjakana Islamika I Madagasikara, hoy ny jeneraly misotro ronono, Lumène Rasolofo.

Ny fahitako azy anefa tsy dia izay loatra fa niroborobo be ny fanampian’ny firenena mandala ny Islam ireo firenena an-dalam-pandrosoana, hoy izy. Mbola am-perinasa aho tamin’ireny. Ohatran’izany foana mantsy ny fanombohan-javatra. Manampy ny mahantra dia manangana Moske dia izay no nahatonga ilay resaka niely hoe efa tafiditra ny fanjakana Islamika na “Etat Islamique”. Nipetraka ny fanontaniana hoe misy mpampihorohoro tafiditra ve na ohatran’izany fa rehefa nojerena toa tsy nisy akory ilay izy? Ilay fifidianana koa moa miteraka resabe. Sao dia teratany fotsy hoditra, rosianina, lava ranjanana dia lazaina fa Wagner? Ny tsikaritra amin’izao fotoana izao dia ny firenena afrikanina matoa misy Wagner dia firenena sosotra amin’ny frantsay. Misy Wagner any Mali, Burkina Faso, Centrafrique. Efa safidin’ilay mpitondra any io. Ny firenena leo frantsay no misy Wagner. Hitany hoe mahasoa azy kokoa ny miaraka amin’ilay Wagner na inona fanaratsian’ny tandrefana azy. Heritrereto hoe ny tafika malagasy sy rosianina no hiaraka hanafika ny frantsay ao amin’ireo nosy manodidina na “Iles Eparses” dia ho disoin’ny frantsay ve nefa ny Firenena Mikambana izao mihitsy no efa nanome baiko hoe avereno amin’ny malagasy ireo nosy ireo? Amin’ny maha malagasy tia tanindrazana ahy dia tsy tiako ny nataon’ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron, tao amin’ny nosy sambatra na “Iles glorieuses” hoe “Ici c’est la France”. Ianao ve firenena nanaiky hifampidinika amin’ny malagasy, firenen-dehibe anaty firenena mikambana? Efa nilaza ny firenena mikambana ny taona 1979 hoe an’ny malagasy ireo nosy ireo. Dia mbola mamoaka vava ihany ianao hoe “Eto dia frantsa”? Fanambaniana malagasy izany. Tsy vitan’ny hoe fanambaniana malagasy fa fanambaniana ny firenena mikambana koa, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT