Jeneraly Désiré Ramakavelo


  • Zoma 09 Mey 2025

Mpandalina tantara aho, hoy ny Jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny antony voalohany ngezambe mampiverimberina ny krizy eto Madagasikara, hoy izy, dia ny tsy fakàntsika lesona amin’ny tantara. Miverimberina ny tantara. Tsy misy mihitsy ny fitohizan’ny raharaha eo amin’ny fitantanana ny firenena. Raha vao miova ny minisitra dia miova hatramin’ny mpamafa trano. Ahoana no hisian’ny fitohizan’ny raharaham-pirenena amin’izany? Olona tsy manana traikefa na fahaiza-manao amin’izany atao hoe politika no lasa mpitantana fa tonga eo amin’ilay toerana ianao vao manangana antoko politika. Mialohan’ny ahatongavana amin’ny toerana no tokony hananganana antoko politika. Manana antoko ianao, firehan-kevitra, praograman’asa, manana olona ho tendrenao amina toerana samihafa fa tsy olona mandefa CV no ho raisinao hitantana governemanta. Mety manam-pahaizana fa tsy mbola manana traikefa izany, no dikan’izany, io voatendry io. Misy ireo mahay politika fa misy tena tsy mahay. Vola fotsiny no hananany. Fahaizana mbola mampisalasala. Mitondra fiara aza ilàna fahaiza-manao sy traikefa. Mitondra firenena ianao tsy manana izany nefa avy dia mitondra firenena. Anaty antoko politika nefa no hitrandrahana ny fahaiza-mitondra firenena. Izay nitondra rehetra dia teny filamatra no nitondràny. «Minoa fotsiny ihany!», «Tanora malagasy vonona», «Hery vaovao ho an’i Madagasikara». Teny filamatra tompoko tsy praograma! Izay no ahitàna fa manam-bola fotsiny fa tsy tena mpanao politika. «Docteur en science politique» na Dokotera amin’ny haipolitika moa ny tena. Tsy araka ny fahafantarako azy izany fanaovana politika eto Madagasikara izany. Ny tena loza ary mampiseho miharihary izay tsy fahaizan’ireo politika izay rehefa tonga eo dia ny fanosihosena lalàmpanorenana. Hosihosena any am-paladia izao ny lalàmpanorenana. Inona moa no firenena tadiavinao handroso anaty lalàmpanorenana tsy asianao hasiny? Ny lalàna fototra sy ambony indrindra no tsy hajainao dia mazava ho azy fa tsy ho hajainao koa izany ny lalàna hafa rehetra. Lasa samy manao izay danin’ny kibony ny rehetra. Raha mihoatran’ny 2, hoy ny frantsay, ny kapitenin-tsambo, tsy maintsy milentika io. Olona firy nefa no mitondra eto amintsika? Raha ny resaka mandeha dia maromaro ary tsy voafidim-bahoaka akory. Tsy maintsy milentika ny sambo entin’olona mihoatran’ny 2, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT