Jeneraly Désiré Ramakavelo

«Tena ahiana ny fifandonana, tokony ho mpanelanelana ny foloalindahy»


  • Alarobia 29 Janoary 2025

Tsy ao anatin’ny filaminan-tsaina mihitsy izao na ny mpitondra na ny vahoaka entina, hoy ny

minisitra teo aloha, ny Jeneraly Désiré Ramakavelo. Samy misavorovoro ny mpitondra sy ny vahoaka, hoy izy. Tsy hay izay ho entin’ny ampitso fa raha ny fahitako azy aloha dia mandeha any amin’ny sanatrian’ny vava fifandonana ny zava-misy. Iza nefa moa no ahita tombony amin’izany? Anaty fahasahiranana isika. Fifampiresahana sy fifanatonana no ilaina izao. Ny fifanarahana ny 31 oktobra 1991 dia sady nanajanonana ny lalàmpanorenana no nanajanonana ny hetahetam-bahoaka. Azo atao izany rehefa misy ny finiavana hitady vahaolana. Tsy voatery ho vahiny avy any ivelany hoe SADC sy ny tahaka izany fa isika malagasy dia afaka mifandamina rehefa misy ny finiavana. Voahaja ny lalàmpanorenana ny 1991 satria nijanona tamin’ny toerany ny filoham-pirenena. Voahaja koa ny hetahetam-bahoaka teny amin’ny 13 may satria napetraka ho filohan’ny HAE na «Haute autorité de l’Etat», izay tetezamita tamin’izany fotoana izany, ny Profesora Zafy Albert. Napetraka tamin’ny toeran’ny praiminisitra andriamatoa Guy Willis Razanamasy hanomana ny fifidianana amin’ny taona manaraka. Rehefa mirotsaka ho mpanelanelana ny foloalindahy dia milamina io. Ny firotsahana ho mpanelanelana tsy midika ho fiandaniana. Tsy maintsy asiana mpanelanelana raha tiana ny hisian’ny filaminana. Ny 1972 koa dia ny fanelanelanan’ny foloalindahy no nampilamina. Toy izany koa ny 1975, taorian’ny nitifirana ny Kolonely Ratsimandrava. Niainana koa ny 1991. Zavatra efa niainana izany foloalindahy mandray andraikitra izany fa tsy hoe mampikomy miaramila. Sanatriavin’ny vava, tsy niainako izany ary tsy izaho mihitsy no hanome ohatra ratsy amin’izany! Ny fantatro dia mila mpanelanelana ity firenena ity. Tsy any amin’ny mpanao politika mihitsy ny mpanelanelana. Efa hitantsika koa hoe hatraiza ny fifampatokisan’ny fiangonana sy ny mpitondra fanjakàna ary ny vahoaka ? hoy hatrany ity Jeneraly ity.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT