Taorian’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny “Forum économique des îles de l’océan indien”, izay hetsika ara-toekarena iraisan’ireo nosy enina aty amin’ny ranomasimbe indianina, tanterahina ao Tolagnaro mandritra ny hateloana nanomboka ny 24 oktobra teo, dia nisy ny fihaonan’ny praiminisitra teo aloha, Camille Vital tamin’ny mpanao gazety.
Tao amin’ny hotely Kaleta-Colbert no nanaovana izany. Nivoitra tamin’ity fihaonana ity ny fahitany ny maha zava-dehibe ny fihaonana ara-toekarena tanterahina ao Tolagnaro. Manomboka izao ny faritra Anôsy, dia afaka mifanerasera amin’ireo mpandraharaha ara-toekarena avy amin’ireo Faritra 22 sy ireo nosy rahavavy mpandray anjara.
Tsy hananosarotra intsony ny fifanakalozana ara-barotra noho ny fananany ny seranan-tsambo lehibe ao Ehoala sy tontolo fizahantany mahasarika, harena an-tanety sy an-dranomasina ary ireo harena ankibon’ny tany. Manaporofo izao, hoy ity praiminisitra teo aloha ity fa milamina ny firenena, tsy araka ny ilan’ny sasany azy. Tsy nasiany resaka kosa ny momba ny tsy fandriampahalemana misy any ambanivolo sy an-tanàn-dehibe amin’ny resaka malaso, sy ireo andian-jiolahy sy tontakely nandritra ny fitantanany izay. Nanontanian’ny mpanao gazety ihany koa ny fahafahana maneho hevitra nandritra ny nahatao Mahazoarivo an’i Camille Vital. Nambaran’ity farany fa tsy nisy mihitsy ny olona nangataka ny fihaonana taminy ka tsy noraisina. Valin-teny somary ambadika ihany anefa, raha ny fahazoana maneho hevitra ankalalahana amin’ny toerana natokana ho amin’izany, ny famoriam-bahoaka nataon’ny mpanohitra no tian’ny mpanao gazety hahatongavana. Ny zava-nisy mantsy dia saika voasakana ary voaelingelina hatrany ireo tsy mitovy hevitra amin’ny FAT.
Mahakasika ny tondrozotra ampiharina entina hamahana ny krizy kosa, dia nilaza ny tao am-pony tsy niloaka ity jeneraly ity fa “io tondrozotra nosoniavin’ny mpanao politika io dia tsy misy milaza fa ny praiminisitra teo aloha dia tsy mahazo mirotsaka ho kandida. Tsy voasoratra ao ihany koa ny hoe ny miaramila dia tsy mahazo milatsaka”. Amin’i Camille Vital dia sadasada manan-tsoratra io tondrozotra io kanefa sy maintsy io no arahina.
Natiora OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.