Politique

Jeneralin’ny SADC ho tonga eto Maneho ny heviny ireo jeneraly Malagasy


  • Talata 11 Oktobra 2011

Manana ny heviny momba ny fahatongavan’ireo delegasiona miaramila avy amin’ny Sadc ho avy eto Madagasikara anio, raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany, ireo manamboninahitra jeneraly eto amintsika, na ny am-perinasa izany na ny efa misotro ronono.

 Ho an’ny jeneraly Ranto Rabarisoa, filohan’ny filankevitra miaramila momba ny fiarovam-pirenena (CMDN) dia nomarihany fa taorian’ny fanangonam-baovao nataony dia ao anatin’ny delegasionin’ny Troika no hisy miaramila izay jeneraly Tanzanianina, fa tsy hoe misy iraka miaramila manokana hiditra eto. Nanipika ihany koa ny jeneraly Ranto Rabarisoa fa efa nisy jeneraly koa tamin’ny OIF tonga teto, izay filohan’ny CENI tany Guinée, ary tonga nizara ny traikefany teto momba ny fikarakarana fifidianana. Noho izany dia zavatra tsy tokony hampatahotra na hampihorohoro ny fahatongavan’izany jeneralin’ny SADC eto izany, hoy ny filohan’ny CMDN fa fomban-javatra ihany. Manana traikefa amin’ny fomba fandaminana ny miaramila, hoy izy, ka mety izay no anton-dian’ity manamboninahitra Tanzanianina ity ary dia ho hita eo ny zavatra horesahany rehefa tonga izy.

Nanamafy ihany koa ny jeneraly Ranto Rabarisoa fa tsy nisy resaka momba ny miaramila mihitsy ao anatin’ny sori-dalana, koa tsy fantatra, hoy izy raha toa ka hampidirana andininy vaovao momba izany indray ao aorian’ny fifanakalozan-kevitra. Ho an’ny filohan’ny CMDN dia tsy mila miaramila avy any ivelany izany ny fandaminana anatiny eto Madagasikara fa vitan’ny miaramila malagasy tsara. Ny jeneraly efa misotro ronono Desiré Ramakavelo kosa dia nilaza mazava fa midika ho fahaverezan’ny fiandrianam-pirenena malagasy ny fahatongavana jeneralin’ny SADC mitsofoka tsy misy fahazoan-dalana mazava avy amin’ilay firenena idirany. Mpanani-bohitra izany, hoy izy.

Mandeha any amin’ny tsy izy ity firenena ity, hoy ihany ny jeneraly Ramakavelo ary efa tsinjo mialoha ny zavatra tahaka izao. Nahitsy fitenenana ity jeneraly sady mpahay tantara ity fa ny SADC dia tsy hamaha olana izany, efa teo am-baravarantsika ny vahaolana tamin’ny alalan’ny fitsapan-kevi-bahoaka sy fifidianana, fa mahagaga hoe avy aiza indray ny antony nampiova ny raharaha“. Nampatsiahy moa izy fa nihaona tamin’ny Troika mialoha ny nanasoniavana ilay sori-dalana ireo manamboninahitra ambony tompon’adraikitra ao amin’ny foloalindahy malagasy, ka nametra-panontaniana izy hoe, tohin’iny resaka iny ve izao mitranga izao sa inona ?

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT