Nilaza ny fahavononany amin’ny filatsahan-kofidiana ho ben’ny tanàna ao Mahitsy, atoa Jeannot Randrianaina.
Nambarany, fa efa vonona sy niomana amin’izany ny tenany ary nisy ny fihaonany tamin’ny vahoaka tao an-toerana, nitondrany ireo programan’asany sy ny vina entiny hampandrosoana ny kaominina Mahitsy. Vonona ihany koa ireo mpanolotsaina miaraka aminy, amin’izay fiatrehana ny fifidianana kaominaly izay, raha ny fanazavany. Nankasitraka ny datin’ny 27 novambra naroson’ny teo anivon’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na Ceni, amin’ny fifidianana ny ben’ny tanàna koa izy, satria afaka iray volana mantsy dia hifarana ny fe-potoana hiasan’ny ben’ny tanàna am-perinasa. Marihina fa vonona ny hitondra aina vao sy fampandrosoana ao amin’ny kaominina Mahitsy izy, raha ny nambarany hatrany.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.