Politique

Jean Ravelonarivo Potehan’ny HVM tsimoramora ?


  • Zoma 04 Desambra 2015

Nanitsy ny resabe momba azy ny praiminisitra Jean Ravelonarivo rehefa tafaverina an-tanindrazana talata vao mangiran-dratsy teo

 

. Vaky ambatolampy koa ny resaka fa dia olona akaiky ny filoham-pirenena ihany no nanely tsaho ny fa tena marary be mihitsy ny praiminisitra ka tsy maintsy miala ary hosoloina fa miandry fotsiny ny fiverenan’ny filoham-pirenena avy nanatrika ny fivorian’ny COP21 sisa.

Tonga ny praiminisitra, nilaza fa salama ary hiverina handray ny asany isan’andro eny Mahazoarivo. Tonga ny filoham-pirenena saingy tsy nisy resaka ny fanoloana ny praiminisitra. Nifarana hatreo ny fahefana be nivangongo teo am-pelatanan’i Rivo Rakotovao izay sady filoham-panjakana no praiminisitra tamin’ny tsy naha teto an-toerana ireo lehibeny ireo. Mandeha be ny resaka fa tena misy amin’ireo olona akaikin’ny filoham-pirenena, anisan’izany ny lohandohan’ny mpisorona sasany ao amin’ny antoko HVM,  mikaroka ny fomba rehetra haminganana ny praiminisitra saingy tsy mbola nandaitra aloha izany hatreto. Nilaza mihitsy moa ny mpiara-miasa iray akaikin’ny praiminisitra Ravelonarivo, tafaresaka tamin’ny mpanao gazety fa efa mafy ny manjo azy ireo ao Mahazoarivo ao, noho ny afitsoky ny eny Iavoloha. Midika ve izany fa tena misy ny ady mangatsiaka eo amin’ny samy fahefana mpanatanteraka ? Raha izay no mitranga dia zava-doza satria hampikatso ny fitantanan-draharaham-panjakana. Fa an-kilan’izay, araka ny angom-baovao natao dia tsy levon’ny vavonin’ireo oloa akaiky an-dRajaonarimampianina ny eritreritry ny PM Jean Ravelonarivo ho kandida filoham-pirenena amin’ny 2018. Izay angamba no mahatonga ny fanipazana hoditr’akondro dieny izao sahady ka ampiasaina ny serasera sy ny resaka ambadika hamotehana tsimoramora azy. Tsy takona afenina intsony mantsy fa mbola manantena ny hitondra ny firenena fanindroany indray manomboka amin’ny 2018 ny HVM, ka mampiasa ny fahefana eo am-pelatanany hanilihana sy hifehezana ireo mpifanandrina aminy heverina fa mety ho lasa lavitra.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT