Politique

Jean Ravelonarivo Manoman-tena mafy ho filoha


  • Alatsinainy 16 Aprily 2018

Efa nampoizina ihany koa fa tsy maintsy hametraka dian-tanana amin’ny fifidianana 2018 ny praiminisitra teo aloha, Jean Ravelonarivo.

 

 Efa mandeha moa ny fanomanan-tena, raha ny zava-nitranga tamin’ity herinandro ity, satria dia avy nangata-tsodrano tamin’ireo Ampanjaka amin’ny fanjakana 3 troky tany Vangaindrano ny tenany, araka ny vaovao voaray. Midika izany fa isan’ny efa vonona tokoa amin’ny fandraisana anjara amin’izay fifidianana ho filoham-pirenena izay ny tenany. Teraka ny 17 aprily 1959 tao Berevo ity praiminisitra faharoa tao anatin’ny fitondrana Rajaonarimampianina ity. Ny 17 janoary 2015 ka hatramin’ny 10 aprily 2016 izy no nitana ny toerana maha praiminisitra ary azo heverina ho isan’ny manam-pikasana ho kandida hifampitana tsara amin’ny HVM satria dia maro ny rresabe nateraky ny fialany tamin’ny fotoan’androny.Azo izay ny tso-drano fa asa izay ho fitrangany rehefa tena raikitra tokoa ny fifidianana.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT