Politique

Jean Ravelonarivo “Izao no praiminisitra ary miasa aho”


  • Alakamisy 10 Desambra 2015

Mbola nanamafy indray omaly ny jeneraly Jean Ravelonarivo nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny kolikoly fa izy no praiminisitra ary manohy ara-dalŕna ny asany izy.

 

 Tsy maintsy misy foana ny miteny sy be resaka etsy sy eroa, hoy ingahy praiminisitra, fa ny fantatro aloha dia manana ny andraikitro aho ary miasa. Efa niteny izany izy tamin’ny 30 novambra raha niverina avy nitsabo tena avy any Frantsa. Misy antony matoa mamerimberina io fanambarana io ny praiminisitra, toa manome hafatra mazava ireo mieritreritra ny hanilika azy na mandefa tsaho ny amin’ny mety hialany izy fa tsy mbola manana eritreritra hiala amin’ny toerany mihitsy. An-kilan’izay anefa dia maro ny loharanom-baovao manamafy fa tena misy io eritreritra hanolo an’i Jean Ravelonarivo io. Ho hita eo ihany ny fivoaran’ny toe-draharaha.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT