Politique

Jean Ravelonarivo « Hanamboatra trano 20.000 ny fanjakana »


  • Sabotsy 31 Oktobra 2015

Vonona ny hampiasa ny volany eto Madagasikara ny banky Shelter Afrique. Sady orinasa mpisehatra amin’ny fanorenan-trano ny Shelter Afrique no banky. Efa mahatratra 46 ankehitriny ny firenena mikambana ao aminy, i Madagasikara no firenena faha-40 niditra ho mpikambana, efa ho enin-taona izay.

Tsy  vao sambany vao hiasa eto  Madagasikara ny Shelter Afrique fa efa nisy  fotoana niarahany niasa tamin’ny  orinasa malagasy ary efa nahitana fahombiazana tamin’izay. Omaly  ary dia nanatontosa fitsidihana tamin’ny  fomba ofisialy ny  praiminisitra Ravelonarivo Jean teny amin’ny  lapan’i Mahazoarivo Atoa James Mugrewa, tale jeneralin’ny  Shelter Afrique. Nandritra ny fihaonana no nanehoany ny finiavany te hampiasa ny volan’ny banky  eto an-toerana. Taratasy fankatoavana  avy amin’ny Antenimieram-pirenena ihany no andrasan’izy ireo dia efa afaka  mamoaka  vola hampindramina  an’i Madagasikara na amin’ny alalan’ny olon-tsotra na amin’ny alalan’ny  fanjakana ity  banky ity.

Izay fahamoran’ny fiaraha-miasa miaraka amin’izy ireo izay  no mahatonga antsika voasarika amin’ny  fiaraha-miasa amin’ity  orinasa ity, hoy ny praiminisitra izay efa mametraka fanamby ny hanorina  trano 20.000 ho an’ny mpiasam-panjakana ankehitriny. Mety tsy ho indray vita  ny tetikasa fa  handeha tsikelikely. Ny zava-dehibe dia ny fanombohana ny asa. Amin’ny  herinadro ambony  iny dia mbola hihaona   amin’ny minisitra misahana mivantana  ny tetikasan’ny filoham-pirenena Atoa James  Mugrewa.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT