Mamaly an’Atoa Jean Omer Beriziky, praiminisitra teo aloha ireo mitonona ho mpandraharaha sy mpiasam-panjakana ambony avy any amin’ny faritra DIANA sy SAVA iny
. Fantatray ny olona tiany hotondroina sy tiany henjehina amin’iny fanambarana nataony tamin’ny faran’ny herinandro teo iny, hoy ireto mpandraharaha avy any avaratry ny nosy ireto. Tsy dia nandrasanay ho avy aminy izay heverina ho raiamandreny ny fihantsiana sy fanomezan-tsiny ny hafa mba hoentiny andiovany ny tenany toy ireny.
Mifankalala tantara daholo ny samy zanak’Avaratra ka tsy misy afaka ny hifamitaka, hoy ireo mpandraharaha sy mpiasam-panjakana ambony mivondrona avy any amin’ireo faritra roa avy any Antsiranana. Araka ny fanambarana nataon’ireto vondron’olona ireto dia misy olom-boafidy sy manamboninahitra mpitandro ny filaminana niara-niasa akaiky tamin’Atoa Jean Omer Beriziky mahalala tsara ny marina rehetra ka tsy tokony hanova tantara mba hanamarinantena atoa Jean Omer Beriziky, hoy hatrany ny fanambarana. Nitana ny andraikitry ny praiminisitra teo ny tenany ary nitana vonjimaika ihany koa ny andraikitry ny minisitry ny Tontolo iainana ka tompon’andraikitra amin’ny zavatra maro ihany koa izy amin’ny resaka fanondranana andramena an-tsokosoko, hoy ny fanambarana.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.