Ny alahady lasa teo no tontosa tany Burkina Faso ny fifidianana izay ho filoham-pirenena any an-toerana.
Hatramin’ny omaly hariva, mbola mifantoka amin’ny fanisana ny vato ny komity mpikarakara ny fifidianana. Any an-toerana, araka ny efa nitaterana azy ny praiminisitra malagasy teo aloha Omer Beriziky mitarika ny mpanara-maso avy amin’ny vondrona afrikanina. Mpanara-maso miisa 47 avy amin’ny firenena afrikanina miisa 26 no tarihiny any. Nandritra izao iraka nampanaovin’ny vondrona afrikanina azy izao dia efa nihaona tamin’ireo mpanao politika sy kandida ho filoham-pirenena vitsivitsy ny tenany, anisan’izany atoa isany Roch Marc Kabore, Boukary Ouedraogo ary i Ablasse Ouadreogo. Ankoatra izay dia nihaona tamin’Atoa M. Mohammed Ibn Chambas izay solontena maharitry ny firenena mikambana any amin’ny faritr’i Afrika andrefana ihany koa atoa Omer Beriziky izay nanana fotoana ihany koa nifanakalozan-kevitra tamin’ireo mpanara-maso miisa 120 avy amin’ny CEDEAO.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.