Politique

Jean Nirina Rafanomezantsoa “Vahaolana ny fanovana minisitra sy governora maromaro”


  • Alarobia 11 Janoary 2023

Tonga eo amin’ny dingana famaranana ny filoha Andry Rajoelina, hoy ny filohan’ny fikambanana Hafari malagasy, Jean Nirina Rafanomezantsoa.

Betsaka, hoy izy, no vitany fa tsy vitsy koa ny miandry azy satria tena latsaka an-katerena ny firenena malagasy tao anatin’ny 60 taona nahazoana fahaleovantena. Amiko, tsy mbola nisy mpanao politika teto Madagasikara fa fitiavan-tseza sy fitiavan-karena no mibaiko nandritr’izay fotoana izany. Misedra olana tena goavana ny filoham-pirenena ankehitriny. Eo ny finiavana hanatanteraka ny vina fa ireo nanankinana andraikitra sy nalaina ho namana no tena vato misakana ny fampandrosoana tiany hatao na tsy mahay ny asa tokony atao na miantehitra amin’ny famatsiam-bola sy mitomany voninahitra fotsiny ihany. Vahaolan’ny filoham-pirenena ny fanovany tsy misy fepetra ny minisitra maromaro sy governora maromaro. Izay tena manana fitiavan-tanindrazana sy vonona hanavotra an’I Madagasikara maika, tsy hijerena finoana na politika na fihaviana, no tokony hapetraka eo. Hafatra ho an’ny mpanao politika rehetra dia tsy vahaolana ny fanakianana na fifampihantsiana na fifanomezan-tsiny. Tsy vahaolana ho an’ny TGV manokana ny fametrahana ny malagasy na mpanohitra ho fahavalo. Tsy ampy ihany koa ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny mponina sy ny mpanao gazety. Ny an’Itompokovavy Nadine Ramaroson dia nataony laharam-pahamehana ny mpanao gazety mba hampifanakaiky ny mpitondra sy ny vahoaka ka samy handray ny andraikiny, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT