Jean Nirina Rafanomezantsoa

«Tokony hangina ny mpomba ny filoham-pirenena rehetra hatreto!»


  • Alakamisy 13 Jona 2024

Isak’izay mihetsika izao dia mifampiapanga lava isika malagasy hoe mpangalatra,

hoy ny filohan’ny fiarahamonim-pirenena, Hafari malagasy, Jean Nirina Rafanomezantsoa. Nahitana izany indray izao, hoy izy, tamin’ny fifidianana solombavambahoaka hiandrasana valiny ofisialy amin’ny HCC farany teo. Manana ny andraikiny ireo delege. Ny kely vovok’aina tsy tokony hilatsaka, na mpomba io na mpanohitra! Nanao inona ny delegenao no hoe nisy fangalaram-bato? Tsy tokony hifampiantsy lava isika! Sady mpitantana fiarahamonim-pirenena aho no filoham-pokontana fa izaho sahy manitrikitrika 100% fa tsy nisy hala-bato teto amin’ny fokontany niadidiako ary nipetraka ny mangarahara. Hitan’ny delege ny zava-nitranga rehetra. Samy nipetraka tamin’ny andraikiny ny rehetra. Sahiko ny miteny fa tena fifidianana madio, mangarahara, eken’ny rehetra ny teto Anosizato Atsinanana I. Ny tahan’ny mpifidy no nilatsaka. Mitondra ny ain’ny firenena iny fifidianana depiote teo iny. Miainga amin’iny ny andininy faha 54 amin’ny lalàmpanorenana hanendrena ny governemanta izay hitantsika fa feno fahabangana ankehitriny. Manana 80 isa amin’ireo depiote ny IRMAR dia heverina fa izy ireo no hanendry ny praiminisitra tsy ho ela. Tsy maintsy ho tanterahana ny PGE na fandaharam-panjakana amin’ny ankapobeny. Betsaka ireo IRMAR tsy mahay miaina anefa! Efa misy ny lalàna. Tokony ekena ny fanapahan-kevitry ny CENI sy ny zava-bitanay ety amin’ny fokontany ary ekena koa ny vokatry ny HCC araka ny porofo sy fitoriana napetrak’izy tsirairay avy fa tsy hifanasa vangy amin’ny haino aman-jery na tambazotran-tserasera satria tsy vitsy koa ireo mpanohitra mitady korontana. Tsy vitsy ireo jiolahy politika sy mpikarama an’ady politika mitady korontana, tetezamita, fanonganam-panjakana niainga tamin’iny fifidianana depiote iny. Matoky ny HCC aho. Aleo izy tena hitsara amin’ny ara-drariny. Mila tany tan-dalàna isika. Ny fampandrosoana ny firenena no tokony jerena. Tokony hangina ny mpomba ny filoham-pirenena rehetra hatreto satria efa fantatra fa mitarika izy niainga ny vokatry ny CENI. Tokony hahazaka resy koa. Ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy no olana tamin’iny satria mbola tsy tena mahalala ny andraikiny ny olompirenena. Mila fitoniana ny filoham-pirenena. Mila fitoniana ny firenena. Tsy mahazaka korontana intsony i Madagasikara. Izaho manokana sahy manao fanamby fa tsy nisy hala-bato teto amin’ny fokontany iadidiako. Nandalo teto i Riana Randriamasinoro. Nandalo teto ny TGV ary samy niaiky fa vita soamantsara ny fifidianana teto Anosizato Atsinanana I. Misy paikady napetraka tamin’ny fifidianana. Niainga izany tamin’ny fivoahan’ny vata fandatsaham-bato. Teo ny bileta tokana. Nifarana dia nanisa vato ny olona rehetra. Raha ny teto Anosizato Atsinanana I manokana izany dia naterina. Tsy nisy ny fanamarihana manokana. Tsy nisy vato nihoatra. Tsy nisy vato latsaka. Nanatrika teo daholo ny solontenan’ny kandida miisa 6 tato amin’ny boriboritany faha 4. Nitovy tamin’ny vokatra navoakanay no navoakan’ny CENI ka inoana fa tsy hisy hivadika koa izany rehefa tonga any amin’ny HCC, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT