Politique

Jean Nirina Rafanomezantsoa “Tokony asiana sekoly mampianatra fametraham-pialana eto”


  • Alarobia 25 Janoary 2023

Tokony ahitsy isika amin’ny raharaham-pirenena sy fanaovana politika eto Madagasikara, hoy ny filohan’ny Hafari Malagasy, Jean Nirina Rafanomezantsoa.

Isan’ny tiako avoitra ao anatin’izay, hoy izy, ny hoe ambetin-tenin’ny olona rehetra ankehitriny ny hoe fifidianana madio sy mangarahara. Rehefa mangataka ny handravana ny CENI sy HCC isika dia efa miala foana amin’ny lalampanorenana. Aleo hanapitra ny fe-potoam-piasany ny filoham-pirenena ankehitriny dia miroso amin’ny fanarenana ny firenena isika. Hitantsika ny takaitra izao fa niakatra ny rano raha nisy rivodoza nandalo teo. Nisy takaitra noho ny fahatapahan-dalana, ny Coronavirus, ny zava-misy maneran-tany mampiakatra vidim-piainana. Misy dikany daholo ireny fanehoan-kevitry ny FFKM sy ny masoivoho frantsay ary ny mpanohitra ireny fa izaho manokana dia mangataka hoe avelao aloha hamita fotoam-piasana ny filoham-pirenena, izany hoe, hatramin’ny janoary 2024, vao miverina miady hevitra isika, izany hoe, tsy maintsy miditra tetezamita sy repoblika fahadimy. Misy krizina lalampanorenana eto. Tokony asiana sekoly mampianatra fanetren-tena sy fametraham-pialana ary fitiavan-tanindrazana eto Madagasikara. Resaka lainga daholo no ataon’ny mpanao politika hany ka miteraka fahantram-bahoaka. Tsy azo ihodivirana ny fanovana governemanta satria iza tamin’ireo minisitra ireo izao ilay nirahana hidina ifotony dia tena mba nidina tokoa, ohatra? Tsy tokony hiroso amin’ny fifidianana isika amin’ity taona ity. Tsy zakan’ny sain’ny malagasy sy ny zava-misy ankehitriny izany. Ny fanarenana ny sosialy toy ny lalana aloha no atao. Aorian’ny 25 janoary 2024 isika tokony hijery hoe ahoana no hanarenana io lalampanorenana io. Ahoana no hampidirana ny fihavanana, ny fahatahorana an’Andriamanitra ary ny fandraisan’anjaran’ny fokonolona amin’ny fiainam-pirenena ao anaty lalampanorenana? Izany no tokony heritreretintsika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT