Politique

Jean Nirina Rafanomezantsoa «Olona mpampihavana no ilaina eto»


  • Talata 25 Aprily 2023

Firenena latsaka an-katerena tao anatin’ny 60 taona i Madagasikara, hoy ny filohan’ny Hafari malagasy, Jean Nirina Rafanomezantsoa.

Tsy vita mora, hoy izy, ny hanarina izany. Raha mbola tonga foana ny fampisaraham-bazana na amin’antoko politika na antokom-pivavahana na fikambanana isan-karazany dia tsy handroso izany i Madagasikara. Miha miaina ao anatin’ny fampihatsiana isika ankehitriny. Tsy misy antenaina hanavotra an’i Madagasikara ao anatin’izay rehetra izay. Ny fitrandrahana io harenan’ny malagasy io no tena hamaha olana. Maneran-tany efa misy an’io krizy io ary tsy ho afa-bela mihitsy amin’ny zavatra maro. Madagasikara mbola manana tombony ary azo avotana anaty fotoana fohy. Ilaina ny fifamelan-keloka sy fifampitsinjovana fa malagasy iray isika. Tokony ho politika eto ny fitrandrahana ny haren’ny malagasy na an-kibon’ny tany io na an-tanety na an-dranomasina na resaka sakafo satria miha mafy ny rivotra avy any ivelany. Tokony hiorina kokoa amin’ny vokatra malagasy ny famoronana asa. Ahoana no hampavitrika ny malagasy handoa hetra satria io ihany no afaka hanavotra ny kitapom-bolam-panjakana? Efa hita ankehitriny fa mihena ny fidiran-ketra. Miha tsy misy vola ny mpitondra fanjakana. Lasa olana goavana iraisana io satria na ireo orinasa kely aza tsy afaka mitraka. Rehefa tsy hampandroso ny fihariana anatiny isika dia vao mainka hiha ratsy ny toe-draharaha fa tsy hisy fahagagana eo. Tsy ho avy mihitsy anefa izany raha mbola misy ny fanavakavahana ka raha hiresaka fifidianana izany isika izao dia olona mpampihavana ny malagasy no ilaina eto. Izany no mahatonga anay tsy hirona amina firehana mihitsy aloha, hoy hatrany izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT