Politique

Jean Nirina Rafanomezantsoa “Mampanahy ny fifampihantsiana amin’izao fotoana”


  • Talata 14 Febroary 2023

Tsy ampy ny famoronana asa eto Madagasikara dia lasa manao makorelina, misoloky, mangalatra, mamono olona isika eto, hoy ny filohan’ny Hafari malagasy, Jean Nirina Rafanomezantsoa.

Resaka toe-tsaina koa, hoy izy, no olana fanampin’izay. Tsy voazara ny andraikitra. Ny andraikitry ny vahoaka dia ny miasa sy mandoa hetra. Amiko tokony heritreretina kokoa ny hoe ahoana no fomba hiverenantsika amin’ny tany “Madagascar naturellement”. Misahotaka isika fa akaiky ny fifidianana dia betsaka ireo mpitarika fikambanana mitady vola etsy sy eroa. Miovaova toy ny tanalahy. Misy solombavambahoaka izao niaraka tamin’ny fitondrana dia mety nahazo famatsiana tany ambadika tany dia io manaratsy ilay fitondrana io indray. Olona akaiky ny fitondrana ankehitriny izao no ankamaroan’ny ao anaty vovonana lera. Misy olona akaiky an’i Ravalomanana koa izao ao satria mety hamoaka kandida manam-bola ny lera dia aiza izany ilay firaisankina? Tsy afaka handeha ao anaty fifampihantsiana ny firenena. Tsy politika no atao eto fa fitiavan-tseza sy fitiavam-bola. Ireo filoha miisa 3 Ravalomanana, Rajoelina, Rajaonarimampianina ireo izao no tokony hitarika ny fampihavanana. Mino aho fa raha ireo no miray latabatra sy miara-mikaondoha dia toy ny fitondrana zanaka ao am-piangonana ihany io. Raha hifidy ny filoham-piaingonana ny FFKM, toy izany koa izahay fikambanana, dia mifampiresaka ny mpikambana mialohan’ny fahataperana taom-piasana. Toy izany koa ny firenena. Mampanahy ny fifampihantsiana amin’izao fotoana satria izay miteny rehetra dia milaza ho tsy mifankatahotra daholo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT