Politique

Jean Nirina Rafanomezantsoa «Laharam-pahamehana ny ady amin’ireo vahiny manjanaka»


  • Alakamisy 08 Jona 2023

Mikasika ity raharaha fitsaram-bahoaka tany Lalazana Vohibato, Fianarantsoa, ity dia manameloka tanteraka izany izahay, hoy ny filohan’ny HAFARI malagasy, Jean Nirina Rafanomezantsoa.

Zava-dehibe, hoy izy, ny fandraisan’andraikitry ny fitsarana momba izany raharaha izany. Mitaky ny fanadihadiana ilay solombavambahoaka voasaringotra anatin’izany ary mitaky ny handraisana fepetra momba izany koa fa tsy ny vahoaka madinika foana no mifafy ny kiho. Tsy ekena intsony ny tsy maty manota. Aoka hamoraina ny asan’ny fitsarana ahafahana manenjika izay meloka tamin’io raharaha io. Ento eo anoloan’ny fitsarana ilay depiote fa aoka tsy ho vitavita ho azy io raharaha io. Mikasika ny raharaha Doris Rakoto Samuel dia vehivavy be herim-po izy. Lojika ny azy ary ara-drariny satria any am-ponja ny vadiny. Isaorana ny fitsarana nihaino ny feon’ny fieritreretany nijery ny zanany 8 volana. Tsy midika hoe olo-meloka koa i Nambinina raha niditra am-ponja. Efa nisy foana ny tolom-bahoaka ny taona 1972, 1991, 2002, 2009, 2018. Ny tena marina dia ampiadiana isika malagasy nefa eo am-pelantanan’ireo vahiny ny fahefana. Eo am-pelantanany avokoa ireo harena na JIRAMA na solika hatramin’ny rano sotroina. Tsy vahaolana intsony ny midina eny an-kianja. Laharam-pahamehana ny ady amin’ireo vahiny manjanaka amin’ny fomba maoderina. Samy diso daholo teto ka ilaina ny fifamelana faobe na «grand pardon». Ahoana moa no tsy hisy ny fitsaram-bahoaka, solombavambahoaka natao hanao lalàna aza manainga fitsaram-bahoaka? Mila amboarina ny lalàna mikasika an’io, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT