Politique

Jean Nirina Rafanomezantsoa “Kandida hampiray ny malagasy izao no tadiavina!”


  • Alarobia 02 Aogositra 2023

Mila mitandrina ny mpanao politika malagasy, hoy ny filohan’ny fikambanana Hafari malagasy, Jean Nirina Rafanomezantsoa.

Mila mandinika tsara hoe ho entina aiza ny taranaka fara-mandimby eto amin’ity firenena ity, hoy izy? Tokony tandremana ny fihetsika mialoha, mandritra, aorian’ny fifidianana satria raha hitondra raharaham-pirenena na firenena no be fahavalo sy hihantsy dia ataoko fa zava-doza. Kandida hampiray ny malagasy izao no tadiavina! Tokony hisy ny fifamelana na “grand pardon” satria samy nanao ny tsy nety daholo ireo mpanao politika malagasy. Miha potika ny firenena. Toy ny hoe tsy misy olona tsara intsony eto Madagasikara na iray aza rehefa mijery ny fifanaratsiana sy fifandrabirabiana ampian’ny Facebook sy ireo kaonty fake isan-karazany. Filoham-pirenena hampiray ny malagasy, hiady amin’ny fahantrana, hamorona asa, hijery, indrindra, ny tontolo iainana izao no tena ilaina. Mbola hisy foana ny fahantrana rehefa tsy miavana isika. Ampiadian’ireo firenena avy any ivelany izay miheritreritra ny haka tombontsoa be dia be eto isika. Natoraly ny harenantsika na entona, izany hoe, “gaz” izany, na solitany, na fambolena na fiompiana, na tantsaha.Tsy manana harena nokleary na elektronika isika fa natoraly. Kandida mirona be dia be amin’ny fampiraisana ny malagasy sy mijery ny sosialim-bahoaka no ilaina fa rehefa tsy izay dia tsy tokony ho kandida mihitsy izy satria tsy haha tafavoaka an’i Madagasikara. Efa miha tezitra io vahoaka io. Be dia be no tsy te hifidy noho ny fahatezerana amin’ny mpanao politika. Kandida tsara toerana izay mahavita manetsika ireo be tsy miteny na hoe “majorité silencieuse”, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT