Politique

Jean Louis Rakotoamboa - TEZA “Tsy hisy hanaiky lembenana intsony izao”


  • Alarobia 11 Janoary 2023

Taona tena ho sarotra ho antsika malagasy ity taona 2023 ity, hoy ny antoko politika Teza. Hiakatra, hoy ny filohan’izy ireo, Jean Louis Rakotoamboa,

ny vidim-piainana noho io ady any Okrainina io. Hiakatra io solika io. Hidangana be izany raha hiditra amin’ny hoe vola baoritra na “planche à billet”. Ny tahirim-bolamenantsika kely. Tsy manana vahaolana ny fitondrana amin’ny krizy sosio-ekonomika. Ny aty amin’ny politika moa hoe hiroso amin’ny fifidianana hono isika. Ny fitsipi-dalao amin’ilay fifidianana anefa tsy milamina. Hiteraka hala-bato maro isan-karazany io. Hiteraka korontana raha tsy hanaiky hifampiresaka ny mpitondra. Io izao nametra-pialana ny governoran’ny banky foibe satria noporetina hanao ny tsy tokony ataony. Krizy hiseho eto amin’ny firenena ireny rehetra ireny amin’ity taona ity. Ny fipetraky ny toetr’andro mbola tsy fantatra satria iny mbola tsy voafehin’ny zanak’olombelona. Izany rehetra izany mampitaintaina be amin’ity taona ity. Mila manao fanarenana ara-tsosialy sy toekarena aloha. Fanadiovana ny fiainam-pirenena. Fametrahana ny fandriampahalemana eto amin’ny firenena. Azo atao ny mametraka ny fototra demokratika eto amin’ny saina tony sy sainan’ny fitiavan-tanindrazana. Ny mahagaga moa ny mpitondra tsy te hiroso amin’izany ka dia asakasany. Tsy hisy hanaiky lembenana amin’ny halabato intsony amin’izao taonarivo fahatelo izao, hoy hatrany ny Teza.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny Teza
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT