Politique

Jean Louis Rakotoamboa “Raha izaho ny filoha miala dia mitsoaka aho fa maha menatra”


  • Alakamisy 03 Novambra 2022

Initiative pour l’émergence de Madagascar” no noresahan’ingahy Andry Rajoelina tamin’ny propagandiny, hoy ny filohan’ny antoko politika Teza, Jean Louis Rakotoamboa.

Ny praograma anatin’io, hoy izy, no tokony novolavolaina tao anaty fitondrany dia avy dia iny no nampiasaina. Zavatra azo tanterahana, vatsiana vola, hindramam-bola rehefa eo amin’ny fitondrana izy. Ny azy tonga eo amin’ny fitondrana izy dia mbola nanonofy indray. Tamin’izy tsy teo koa fat any ivelany anefa efa nanonofy. Jereo ireny nanao atrikasa na “colloque” tany atsimo. Nanao fikaonandoham-pirenena momba ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Izaho indray manonofy hitady biby isan-karazany ho alefa aty sy sahala amin’izay. Izao vao namboamboarina ho praograma ilay nofinofy. Tsy azo notanterahana tao anatin’ilay fotoam-piasany nefa ny nifidianan’ny vahoaka azy dia ny hanatanteraka anaty fotoam-piasany. Ny olan’ny olona eto anefa no tokony hanaovana praograma ny hamahana azy haingana fa tsy hanonofy zavatra tsy azo iainana eto. Hanonofy angidina, zirafy, liona koa angamba. Hita amin’ireny fa tsy tokony hitondra firenena mihitsy izy. Raha izaho ny filoham-pirenena miala haingana dia mitsoaka fa maha menatra olona ilay zavatra ataony eto. Rehefa fanofinofisana no hainao dia mandehana manonofy any amin’izay tokony hanaovana izany sahala amin’i Miami na “Pole nord” na “Pole sud”, hoy hatrany ny tenany, aloha.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT