Mila fahamailoana goavana izao dingan’ny tolona izao, hoy ingahy Jean Louis Rakotoamboa raha nandaha-teny tao amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka ny tenany omaly.
Tsara hotsaroana mandrakariva, hoy izy fa ny fototra nahatonga ny fanonganam-panjakana teto amintsika dia ny Frantsay ka mila mailo isika fa mandry ilika i renimalala rehefa hiaro ny tombontsoany. Ohatra roa moa no nanamafisany ny fomba fijeriny. Eo ny momba an’i Libia. Rehefa nifanaraka tamin’ireo mpanongana tao Libia i Frantsa fa omena azy ny 30%-n’ny solika any an-toerana dia ireny no nanaovany an’i Kadhafi, raha ny fanazavany. Amin’ny maha-firenena afrikanina an’i Libia anefa dia tokony ho ny Vondrona Afrikanina no nirotsaka nandamina kanefa dia ireny nanaovan’i Frantsa ny didin’ny be sandry ireny na dia efa niezaka nifandraharaha aza ny filoha afrikanina tatsimo, Jacob Zuma. Nanampy betsaka an’i Sarkozy ihany koa i Kadhafi tamin’ny fotoan’androny, hoy ihany ity mpampianatra mpikaroka ity kanefa dia iny novonoina iny izy. Ankoatra an’i Libia dia notanisainy koa ny momba an’i Côte d’Ivoire.
Nosamborin’ny Frantsay ny filoha Laurent Gabagbo dia ireny niaraha-nahita ireny ny niafarany. Nambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko Teza fa ny antony nampitarazoka ny krizy sy ny tolona teto amin’ny firenena dia satria ny Frantsay no ambadik’izao raharaha izao. Tsy misamatsamaka ho azy ireo ankolafy sy antoko politika, hoy ihany Rakotoamboa fa ampisamahana satria marivo salosana. Manoloana izany indrindra dia nanao antso avo tamin’ireo filohan’ny Ankolafy telo dia Ratsiraka, Zafy Albert ary Ravalomanana ny filoha nasionalin’ny Teza mba handamina tsara ny fizotry ny tolona, ho matotra kokoa, indrindra mandrapahavitan’ny tetezamita tena izy. Izany dia ho tombontsoan’izy 3 lahy ihany sy ho tombontsoan’ny firenena. Tsy maintsy mijoro izy ireo hametraka ny fototra demokratika mialoha ny hirosoana amin’ny fifidianana. “Hamafiso, alamino tsara ny fiarahanareo”, hoy ihany izy. “Mahaiza mamindra hametraka izany fototra izany fa ny Frantsay rehefa hiaro ny tombontsoany dia vitany ny mamono olona”, hoy ihany i Jean Louis Rakotoamboa.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.