Politique

Jean Louis Rakotoamboa Miantso an-dRatsiraka, Zafy ary Ravalomanana hahay hiara-miasa


  • Zoma 11 Novambra 2011

“Adidy lehibe no napetraky ny firenena aminareo telo mirahalahy”, hoy i Jean Louis Rakotoamboa raha nitodika tamin’ireo filoham-pirenena telo teo aloha voafidim-bahoaka dia ny amiraly Didier Ratsiraka, ny profesora Zafy Albert ary ny filoha Marc Ravalomanana.

 Fiarovan’i Frantsa ny tombontsoany no hanaovany ilay hoe zarazarao hanjakana, hoy ity filoha nasionalin’ny Teza ity. Tokony ho samy hahafehy ny olonareo ianareo ary tokony hisy fifampidinihana hisiana fifandaminana tsara eo aminareo, hoy ihany izy nanohy. Araka ny fanazavan’ity mpanao politika ity dia mbola misy tsy mety eo amin’ny fiaraha-miasan’ireto filoha telo ka mila fanamboarana hahatonga ny firenena hipetraka amin’ny tokony ho izy. I Frantsa, hoy ihany Rakotoamboa no namotika ny TIM (Tiako I Madagasikara) ary dia olona tao amin’ny TIM ihany no nampiasainy. Nopotehiny ihany koa ny ankolafy efatra ka zary lasa ankolafy folo amin’izao. Misy olona sasany koa eo anivon’ny ankolafy telo tadiavin’i Frantsa ampiasaina hanasarahana azy ireo. Tsy ho tombontsoan’ny Ankolafy telo ny fizarazarana, raha ny fanazavany ihany ka meloka eo anatrehan’ny firenena izy telo mianaka mirahalahy raha toa ka tsy mahay miara-miasa hanalana ny firenena eo ambany vahohon’i Frantsa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT