Politique

Jean Louis Rakotoamboa «Matetika adinon’ny gasy fa olon’ny Frantsay i Rajoelina»


  • Alarobia 14 Jona 2023

Nila nihaona tamin’i Macron, Frantsa renimalala, ny filohan’ny repoblika malagasy, raha ny mikasika ny fifidianana,

hoy ny filohan’ny antoko politika Teza, Jean Louis Rakotoamboa. Matetika adinon’ny gasy, hoy izy, fa i Andry Rajoelina dia olon’ny frantsay. Anisan’ny nampiasain’ingahy Sarkozy izy hanongana an’ingahy Ravalomanana. Ny filoha Ratsiraka no niteny sy vavolombelon’izany. Vavolombelona faharoa ingahy Sarkozy tamin’izy tonga taty. Tsara ho fantantsika fa olon’ny frantsay i Rajoelina. Alohan’ny hanaovana zavatra dia efa tenenin’i Macron izy hoe mila mankaty aloha mifampidinika. Minoa ahy ianareo fa efa nahazo toromarika izy miverina avy any ary efa nangataka tamin’i Macron izy hoe teneno ny vondrona eoropeanina hamoaka vola! Hiteny amin’izay izy hoe amin’izao ny fifidianana. Mety hanao fivoriana tsy ara-potoana ny parlemanta hanitsy ny tetibola na LFR. Mbola tsy manana fahaleovantena izany isika amin’ny lafiny rehetra fa miankina amin’i Lafrantsa sy ny vondrona eoropeanina foana. Milaza ny praiminisitra fa tsy andinika LFR nefa raha jerena tsy miangatra ny tetibola hanaovana fifidianana, satria sarotra ny manao fifidianana eto amintsika, indrindra, ny resaka fotodrafitrasa momba ny lalana. Lafo ny fanaovana fifidianana ka na tiana na tsy tiana tsy maintsy hiova io tetibola mikasika ny fifidianana io, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT